airtel

Politique

13-déc-2022

Politique

Antenimierampirenena Mahatratra 176 tapitrisa Ar ny soliky ny Kestora I fotsiny

Sample post image

Raikitra ny ampamoaka momba ny fitantanana ara-bola ao amin’ny Antenimierampirenena. Nanaitra ny karazana ampamoaka nataon’ny Depioten’Ambovombe Atoa Milavonjy Philobert momba ny fitantanam-bola tsy mazava,

13-déc-2022

fa isan’ny novakiany bantsilana manokana ny ahiahy momba ny tombotsoa mihoampampana azon’ny Kestora voalohany depiote Henri Jean Michel, izay depioten’Ambovombe Androy tahaka azy ihany. Tamin’ny fandaharana “Lazao ny marina” an’ny Televizionina Malagasy TVM mihitsy no nivoahan’io. “Misy porofo azo entina sy lazaina eto, misy namana milaza fa mahatoky ny fitantanana, izay tsy misakana azy hahatoky satria mety fizarana misy tongaa ny aminy dia tsy ferana izy raha miteny an’izany. Ho anay izay tsy mahatoky kosa dia miantsy ny fitsirihana na « inspection générale » atao amin’io andrim-panjakana io mikasika ny fitantanana, hoy io depiote io, izay naneho fa ny hoe : « budget autonome » dia tsy midika fa afaka manao izay tiana hatao amin’ny fampiasam-bolam-panjakana ny mpitantana. Tokony hifanaraka amin’ny famoaham-bolam-panjakana », hoy ny depiote Milavonjy Philobert. Nohazavainy fa 1 978 400 000Ar/isam-bolana ny solika ho an’ny Antenimieram-pirenena. Raha hanesorana ny an’ny Birao maharitra 12, hanesorana ny an’ny Filohan’ny Kaomisionina 36, depiote 103, kabinetra, adminisitraton, dia 1 689 590 000Ar/isam-bolana. Ny ambiny izany 288 000 000Ar isam-bolana izany no vonona. Ny zava-misy anefa, eo amin’ny 30 000 000 Ar isam-bolana ny anjaran’ny Kestora voalohany izay tsy fantatra mazava hoe: iza no mamaritra an’io, dia mihoatra lavitra noho ny an’ny Birao maharitra sasany. Mbola misy ihany koa 146 000 000/mois sur carte misoratra amin’ny Kestora voalohany; mbola misy zavatra mampiahiahy hafa ihany koa satria mbola misy qoutat spéciale 173 000 000Ar/mois. Tsy fantatra hoe: atao inona fa raisiny ravim-bola (espèce) ka mankaiza. Any amin’ny 176 000 000 Ar isam-bolana ny solika ihany misoratra amin’ny Kestora voalohany, ka rehefa nitaky ny mangarahara izahay dia aza adikan’ireo depiote namana ho zavatra hafa, fa aleo ny “audit” n any “inspection” dia eo no ahitana ny marina. Aza atao fitaovana ny depiote sasany hanafenana ny zava-misy ao amin’ny antenimiera ka hanenjehanareo olon-kafa. Ny “deplacement exterieur” anefa betsaka ny fitarainana, ny resaka fitsaboana,… Mitaky tatitra ara-bola fa tsy misy. Raha tany amin’ny 30 miliara Ar tamin’ny 2019 dia tafiakatra 79 miliara Ar aty amin’ny 2022.. Tsy tokony hanakiana ny hafa fotsiny fa tokony hatao mazava ny ato aminay, hoy io depiote ity. Karazana valin-kafatra taorian’ny fitsipaham-pitokisana izany itony. Ny depiote Milavonjy Philobert sy Henri Jean Michel anefa dia niray seza tamin’ilay fanambarana fa manohitra ny fitsipaham-pitokisana. Efa ela kosa ny fifanandrinana teo amin’izy mirahalahy tao Ambovombe Androy.
Legende : Nanao ampamoaka momba ny volabe lany ao amin’ny antenimierampirenena ny Depioten’Ambovombe Atoa Milavonjy Philobert.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap