airtel

Politique

30-nov-2021

Politique

Antenimierampirenena Manampahefana teo aloha 13 hatao fanadihadiana

Sample post image

Manomboka anio talata 30 novambra ny fampanantsoina eny amin’ny Antenimierampirenena ireo olom-panjakana ambony teo aloha miisa 13, miaraka amin’ny vavolombelona,

30-nov-2021

 voakasiky ny raharaha kolikoly avo lenta, ary hampangaina eo anivon’ny fitsarana avo na ny (Haute cour de justice). Alefa hodinihina amin’ny fivoriana itambarambe tanterahin’ireo solombavambahoaka amin'ny fandaharam-potoana aorian'ny 6 desambra izao ny antontan-taratasy 13 voalaza ireo, araka ny voalazan’i Tsabotokay Honoré, filohan’ny vaomiera ao amin’ny Antenimierampirenena mpandinika ny fiampangana ireo olom-panjakana ambony. Saika mpitondra ambony tamin’ireo Fanjakana teo aloha moa ny ankamaroan’ireo voasaringotra amina dosie goavana, izay ny depiote no tompon’ny teny farany amin’ny hanolorana azy ireo amin’ny HCJ na tsia. Mpikamban’ny governemanta teo aloha ny ankamaroany, ary efa nisy parlemantera ihany koa tamin’izy ireo, ka mpikambana teo anivon’ny parlemanta miisa 2 no voalaza fa hampanantsoina eny Tsimbazaza ho an’ny anio. Resaka fanodinkodinam-bolam-panjakana no maha voarohirohy ireo olom-panjakana ambony teo aloha voaresaka ireo amin’ny ankampobeny. Misy amin’ireo olona ambony manana voasaringotra amin’ireo dosie no eto, fa ny ankamaroany, dia saika lasa nialokaloka any ampitan-dranomasina avokoa. Saika efa vita ny ankabeazan'ny asa sy fandinihana ny antontan-taratasy avy amin'ny Birao mahaleotena miandraikitra ny ady amin'ny kolokoly (Bianco) voarain'ny Vaomiera eo anivon’ny parlemanta, ary tsy mbola misy ny antontan-taratasy vaovao eo am-pelatanana fa ny teo aloha ihany no nodinihina. Miisa 17 ireo solombavambahoaka mandrafitra ny vaomiera manokana eo anivon'ny Antenimierampirenena ity. Asa hoe : handeha hatraiza ireo dosie lehibe satria efa tamin’ny fivoriana teo aloha no nampalaina ireo parlemantera, ka nahemotra. Nanentana ireo depiote sy namporisika ny vahoaka nifidy azy hiteny ireo depiote ho tonga amin’ny fandaniana ny fanapahana izay hatao amin’ireo raharaha ireo moa ny Filohan’ny vaomiera momba ny fanenjehana. Hatreto, ny an’ireo mpitondra teo aloha no mandeha fa rehefa miala amin’ny fitondrana angamba ny mpitondra ankehitriny vao handeha ny raharaha « bonbons sucettes », « écran plat », Jirama.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap