airtel

Politique

20-janv-2021

Politique

Antenimierandoholona Herimanana Razafimahefa no filoha

Sample post image

Notanterahina omaly ny fivoriana manokana, araka ny didim-pitsarana navoaky

20-janv-2021

 

 

 

ny HCC lah. faha-01 HCC/AR tamin` ny 07 janoary 2021, teo amin`ireo Loholon’i Madagasikara vaovao hananganana ny birao maharitra sy ireo vaomiera araka ny voalaza ao amin’ny and. faha- 78 s faha-85n’ny lalàmpanorenana. Niroso avy hatrany tamin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Antenimierandoholona ka lany 100% tamin’izany ny Loholon’i Madagasikara Razafimahefa Herimanana kandida tokana, natolotry ny antoko IRMAR. Nandritra ny lahateniny dia nanome toky ny fahefana mpanatanteraka izy fa hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra mba ho fanavotana an’i Madagasikara. Vonona ny Loholon’i Madagasikara, hoy hatrany izy, hanome tolo-kevitra sy hitondra ny hetahetan’ireo vondrom-bahoaka-paritra itsinjaram-pahefana, amin’ny maha solontenan’izy ireo ny Antenimierandoholona. Niantso ireo mpanohitra ihany koa izy mba hifanome tànana satria fotoanan’ny asa izao hoy izy satria mila fitoniana ny asa fanarenana. Ny loholona Herimanana Razafimahefa no filoha faha-10 eo anivon` ny Antenimierandoholona. Tsiahivina moa fa 18 no isan’ireo Loholon’i Madagasikara, 12 nolanian’ireo mpifidy vaventy isam-paritany ary 6 notendren’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ao anatin` ny fandrafetana ny mpikambana eo anivon` ny birao maharitra sy ireo vaomiera ary ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierandoholona ireto loholona vaovao ireto. Andrasana araka izany ny fifandimbisam-pahefana eo amin` ity filoha ity sy ny filoha teo aloha Rivo Rakotovao.

 

 Herimanana Razafimahefa dia efa sekretera jeneralin` ny minisiteran` ny fanabeazam-pirenena mialohan` ny fifidianana loholona. Efa mpikambana teo anivon` ny tetezamita sy ny filankevitra ambonin` ny tetezana (CST) taona 2009-2013. Mpikambana teo anivon` ny antoko Grad Ilafo izy ary efa sekretera jeneralin` ny minisiteran` ny angovo sy ny harena an-kibon` ny tany ny taona 2002.

Marigny A.

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap