airtel

Politique

27-janv-2021

Politique

Antenimierandoholona Iza no ho filoha lefitra avy amin` ny mpanohitra ?

Sample post image

Ny herinandro lasa teo no niroso tamin` ny fifidianana ireo izay mpikambana

27-janv-2021

 

 

 

handrafitra ny Birao maharitra eo anivon’ny Antenimierandoholona ireo loholona. Mbola mandringa izao ny birao maharitra satria mihantona ny sezan` ny Filoha lefitra avy amin’ ireo mpanohitra. Ny lalàmpanorenana dia manamafy ny fampiharana ny satan` ny mpanohitra ary ny fametrahana ny lehibeny. Araka ireo and. faha-71 hatramin` ny faha-79, dia toy ny Antenimieram-pirenena, “mahazo toerana filoha lefitra ny mpanohitra eo anivon` ny Antenimiera roa tonta” (and. faha -79 andl. faha-2). Ho an` ny Antenimieram-pirenena dia ny vondrona parlemnatera Tiako I Madagasikara (TIM) no tokony mitazona ny toeran` ny filoha lefitra faha-7 ao aminy saingy mbola ao anatin` ny fandinihana ny lalàna 001-2013 izay mifehy ny satan` ny mpanohitra ny antenimiera roa tonta ka tsy mbola afaka mampihatra izany. Sarotrasotra kosa ny ho an` ny Antenimierandoholona. Raha ny lojika politika dia ny antoko Malagasy Miara Miainga (MMM) no tokony misahana izany toerana filoha lefitra izany noho izy ity manana loholona voafidy. Ny lalàna anefa dia mametraka fa “ny fanoherana parlemantera dia tsy maintsy antoko politika tsy ao anatin` ny maro an` isan` ny Fitondram-panjakana”araka ny hevitra navoakan` ny HCC ny taona 2017 kanefa ity antoko ity dia isan`ireo manohana ny Fitondram-panjakana. Manamafy izany koa ny didy lah. 01-HCC/D3 tamin` ny 21 janoary 2021 navoakan` ny HCC fa “tsy afaka manangana parlemantera ny antoko iray raha latsakin` ny 04 ireo mpikambana ao anatiny”. Marihana fa miisa roa ny loholona avy amin`ny MMM, dia Ndriana Rakotondrainibe sy Sydonie Raharinirina. Etsy ankilany moa, nanambara ny filohan` ny Antenimierandoholona, Herimanana Razafimehafa, fa “misy fandaminana atao io. Tsy maintsy hifandaminana amin`ny antoko mpanohitra ka hita eo izay hameno ny banga. Efa noresahina tamin` ny Filoha Rakotovao izany ary nodinihana tamin`ireo loholona vaovao”. Ilaina aloha ny mpanohitra amin`ny firenena mba ho arofanina amin`ny fitondrana tsy hibirioka amin`ny fahefana indraminy amin`ny vahoaka; tsindrilentam-pahefana tsy hianjera amin`ny fihoaram-pahefana na jadona. Raha ny zava-misy ankehitriny anefa, dia toy ny etsy Tsimbazaza koa ny eny Anosikely, banga ny toeran` ny mpnohitra ary ahiana haharitra izany.

 Marigny A.

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap