airtel

Politique

24-nov-2021

Politique

Antoko HVM “Azo atao ny mampiato amin’ny asany ny filoham-pirenena”

Sample post image

Anatin’ny fanetsehana ny rantsa-mangaikany isan-tokony amin’izao fotoana izao ny antoko politika, Hery Vaovao ho an’i Madagasikara, hoy ny sekretera jeneraly lefitry ny HVM,

24-nov-2021

 Rasambany Alain Désiré. Porofon’izany ny fanovana ny rafitra misy, hoy izy. Miezaka izahay manao fitetezam-paritra, mametraka sy manavao ny birao. Misy ny mpikambana efa niala. Nisy ireo voaantso amina andraikitra hafa izay tsy hahafahany manao politika. Misy koa ireo olona mafana fo izay tsy maintsy nomena ny anjara toerany eo anivon’ny antoko. Manofana tanora izahay ankehitriny. Isan’andro manofana mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo, manofana mpandraharaha. Tsy mbola afaka miteny izahay anio hoe iza no kandida, raha ny mikasika ny 2023, fa ny kongresin’ny antoko izay vinaniana ho any amin’ny taona 2022 no hanapa-kevitra ny amin’izany. Mety ho alohan’ny fotoana, mety aoriana ny fifidianana satria ny lalampanorenantsika dia mamaritra fa azo atao ny mampiato na manao “empêchement” ny filoham-pirenena, hoy hatrany ny HVM.
(Tahirin-tsary)
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap
15-avril-2024

Araka ny efa nampoizina, nilatsaka ambany dia ambany ny isan’ireo kandida mirotsaka hofidiana ho

Card image cap
15-avril-2024

Dosiem-pifidianana isan’ny miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny an-dRtoa Voahirana Rajoelina.

Card image cap
15-avril-2024

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny amin'ny Kaominina Ambohitrabiby ny fivoriana fanao

Card image cap
15-avril-2024

Voatolotra ho an'ny vahoakan'i Miadanandriana ny sabotsy lasa teo ireo solosaina ho fampitaovana

Card image cap