airtel

Politique

07-juil-2022

Politique

Antoko Malagasy Miara-Miainga “Tsy vitan’olon-tokana ny fampandrosoana”

Sample post image

Miofana mandritry ny hateloana eny Ilafy ireo mpikambana eo anivon’ny antoko politika Malagasy miara-miainga tarihin’Atoa Hajo Andrianainarivelo.

07-juil-2022

Isan’izany ny mpandrindram-paritra sy ny avy amin’ny Tanora sy ny Vehivavy na TMMM-VMMM ary koa ireo mpanampy ny parlemanta na « Assistant parlemantaire » ary ireo ben’ny tanàna. Natao izao ahafahan’ny antoko manao tantsoroka ireo ben’ny tanàna sy olom-boafidy na fikambanana mitady famatsiam-bola ho an’ny fanorenana fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana, hoy ny eo anivon’ny birao politika sady mpanomana, Ravelonjato Bernard. Tafiditra ao anatin’izany, hoy izy, ny fomba fanaovana fangatahana sy ny fifampiraharahana ahafahana manetsika loharanom-bola hamatsiana tetikasa eny anivon’ny kaominina sy ny fanatevenana ny fahaiza-manao sy ny fahalalalana hanampiana ireo mpikambana sy tomponandraikitra. Niaiky ny tenany fa tsy mora ny fangatahana famatsiam-bola sy ny fandresen-dahatra mba isitrahan’ny eny ifotony ny fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana. Fotoana hihaonan’ireo mpikambana koa izao hanomanana ny fifidianana sy hametrahana paikady hiatrehana izany. Jerena ny lesoka sy ny olana anatin’ny antoko, araka ny nambarany. Anisan’ny fotokevitry ny MMM ny fihainoana sy ny fifampizarana ary koa fanohanana ny mpitantana eny ifotony. Tsy vitan’olon-tokana ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny firenena, hoy hatrany ny MMM. Hampita ny fiofanana any ifotony ireto mpiofana ireto aorian’izao atrikasa iarahana amin’ny FES izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap