airtel

Politique

02-mars-2021

Politique

Antoko MFM “Ravao ny governemanta, tsy afa-miandry 2023”

Sample post image

Mitaky ny hananganana governemanta vaovao ho an'ny tany tan-dalàna sy ny demokrasia ny antoko MFM,

02-mars-2021

 

araka ny fehin-kevitra navoakan’izy ireo omaly. Adidy ny fanovàna sy ny fiovana ary mangataka ny Filoham-pirenena hanatanteraka satria tompon’andraikitry voalohany amin’ny korontana miseho ny Filoha ankehitriny raha misy fahatarany ny fidirana amin’izany, hoy ny MFM tarihin’Atoa Olivier Rakotovazaha sy ny ekipany izay naneho fa ilaina ny fanarenana ifotony. Hanao indrindra izany io governemanta takiana atsangana io. “Fananganana governemanta manana fahefana feno, fa tsy fiaraha-mitantanana. Tsy maintsy mifampiresaka, tsy maintsy mifampiraharaha. Tsy mila governemanta hoe hotohizana izao, dia handeha hizara vary mora. Lalàmpanorenana, lalàm-pifidianana vaovao, fomba fiasa vaovao, fa tsy fizaran-tseza no hapetraka”, hoy hatrany i Pety Rakotoniaina. “Tsy hitsahatra ny fihetsiketsehana satria be dia be ny zavatra tsy mandeha, ny mpampianatra tsy mahazo karama, ny miaramila karamaina isan’andro. Ao anatin’ny 3 taona izany dia ho toy izao. Tsy volena intsony ny korontana fa efa misy. Eo ihany koa ny sakantsakana amin’ny fanaovan’ny depiote tatitra efa voafaritry ny lalàna”, hoy kosa i Olivier Rakotovazaha.

TSY AFA-MIANDRY 2023

“Misy olom-pirenena efa mahalala hoe misy hetaheta tsy maintsy tanterahina, misy fanovana tsy maintsy tanterahana. Ny olona tompon’andraikitra voalohany mba tsy hisian’ny fifandonana sy ny gidragidra eto dia ny Filoham-pirenena. Misy olona ara-drafitra sy fomba fiasa tsy maintsy ilàna ny fanovana. Misy fanao politika maloto ilàna fanovana eto. Ny filazana hoe aleo miandry fifidianana 2023, dia ilay fifidianana mihitsy no tsy izy ka ahoana no ilazanao hoe miandrasa 2023? Hoy i Pety Rakotoniainana. Ny fitantanana ara-toekarena, dia mila fanovana. Mila mifampiresaka, ary aoka hanana fandeferana ny Filoha, izay tondroina ho tompon’andraikitra tanteraka raha sanatria misy fahatarana ny fifampiresahana ka hiafara amin’ny korontana mahery vaika. Isan’ny nampidi-kizo ny firenena teto ny toetran’ny olona manana fahefana, hoy hatrany ny MFM. Raha halalinina io, dia mitovitovy amin’ny sary niseho tamin’ny fifanarahan’ny 31 oktobra 1991 nametrahana fahefana feno tamin’ny governemanta no tian’ny MFM hahatongavana.

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap