airtel

Politique

03-sept-2021

Politique

Antoko Natiora Antananarivo “Ny repoblika faha 5 no hamaha ny olana rehetra”

Sample post image

Tsy nametra-pialana hiala amin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara akory ny tenako, hoy ny filohan’ny Antoko politika Natiora, faritanin’Antananarivo,

03-sept-2021

 Jocelyn Rabenilalana, fa niala tsy hitarika ny RMDM Antananarivo. Mbola ao anaty RMDM izahay Natiora, hoy izy. Mahita izahay fa tokony handray andraikitra ny avy eo anivon’ny fanoherana sy fitondrana mba handaminana ny raharaham-pirenena satria maro ny fikorontanana hita. Miha zaza hatrany isika kanefa efa maherin’ny 60 taona no nomena fahaleovantena. Miha potika sy miha mikorontana ny fiarahamonina eto amin’ny firenena. Tokony mba efa hiroso amin’ny fahamatorana isika fa ampy izay fanandrakandramana izay. Tsy hanaovana handrakandrana ny firenena fa mila havoaka amin’ny fahantrana. Tokony samy hanao dingana ny mpanohitra sy mpitondra hiara-kijery ny tombontsoam-pirenena. Ny vahoaka Malagasy no atao hoe firenena ka rehefa hoe tia tanindrazana ianao dia ilay vahoaka aloha no mila tianao. Tanjon’ny RMDM izao dia ny hoe andeha isika hiova ho repoblika faha 5 satria na atao ahoana na atao ahoana ny olana eto dia izay ihany no hamaha azy iray manontolo. Iaraha-mahalala fa frantsay no nanao ny lalampanorenantsika. Isany ao anatin’ilay tanjona ao anaty fanovana lalampanorenana sy rafitra, ohatra, ny hoe tsy tokony hisian’ny afaka CEPE nefa tsy afaka 6eme na afaka BEPC nefa tsy afaka “seconde” izany intsony. Na ireo mpitondra ireo aza resy lahatra hoe tsy mety io rafi-pampianarana misy io fa mahagaga hoe rehefa eo ianao dia voizinao ihany ilay tsy fihetezana. Ny zava-misy eto Antananarivo izao tsy mety any Toliara. Ny misy any Toliara tsy mety ao Toamasina. Dia toa izany hatrany, izany hoe, samy manana ny fombany ny isam-paritra ka izay tsy fitoviana izay no mila aravina. Izay natiora maha izy antsika izay no mila avoaka atao lalampanorenana. Natanjaka izany dinam-piarahamonina izany taloha saingy noho ity rafitra sadasada ity dia niha lefy, hoy hatrany ny Natiora Antananarivo.

J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap