airtel

Politique

11-janv-2021

Politique

Antoko Otrikafo “Tratraro ny trondro vaventy fa tsy pirina fotsiny”

Sample post image

Hitantsika fa mafampana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fiandohan’ny taona izao,

11-janv-2021

 

 

 

 

 hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika, Otrikafo, naneho ny heviny mikasika ny raharaha volamena tetsy amin’ny biraony etsy Andravoahangy ny sabotsy teo. Mazava fa niainga teto Madagasikara iny volamena 73,5kilao tratra tatsy Afrika atsimo iny, izany hoe harem-pirenena Malagasy. Mihazakazaka ny fanadihadian’ny PAC an’ireo lazaina fa voasaringotra amin’io raharaha io. Olona eo amin’ny 11 isa no fahafantaranay azy, izay heverinay fa tsy trondro madinika akory anefa fa tena pirina mihitsy fotsiny ao anatin’io raharaha io angamba. Tsy ireo ihany no haverinay Otrikafo fa hahavita hamoaka harem-pirenena goavana toy ireny fa tambazotra matanjaka be. Fa maninona ny ACM no nilaza fa tsy nahalala ny fivoahan’iny fiaramanidina iny? Nanao inona ny fadin-tseranantsika sy ny PAF ? Tena ireo voasaringotra ireo ve no atidoha nikotrika sy tompon’ny entana? Raha tena manam-piniavana hamongotra ny famoahana harem-pirenena an-tsokosoko na fanaovana tantely afa-drakotra izany fitondram-panjakana dia tratraro hatramin’ny trondro vaventy na iza na iza ary omeo ny sazy sahaza fa tsy ny pirina fotsiny no atao izany. Alefaso lavitra ny fanadihadiana! An’iza ilay fiaramanidina sy ilay kaompania? Iza no atidoha sy nanome baiko? Ny fitondram-panjakana tsy sasatra manao androrosy sy mangataka any ivelany nefa ny harentsika ireny no anaovana azy, hoy hatrany ny Otrikafo.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap