airtel

Politique

04-oct-2021

Politique

Antoko politika DHD “Vitsy fa misy ny mpanao politika marina eto”

Sample post image

Tsy ny politika no ratsy, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika, Dina maha olona sy demokrasia na DHD. Siansa iray entina mitantana fanjakana na fitondrana izy io,

04-oct-2021

 hoy ny filohan’izy ireo, Harinaivo Rasamoelina. Io siansa io no mametraka ny karazana vinam-piarahamonina mifanaraka amina fotokevitra iray. Izy koa no mamaritra ny lalana hakana fahefana mba hahafahana manatanteraka ny vina voapetraka. Siansa mitaky fomba fiaina, fomba fisaina ary fomba fiasa maty paika ny politika. Tsy politika ny lainga fa lainga. Tsy politika ny halatra fa halatra. Tsy politika ny famitaham-bahoaka fa famitaham-bahoaka. Tsy politika ny kolikoly fa kolikoly. Vitsy ny mpanao politika marina eto amintsika. Vitsy ny olona mifototra sy miaina amin’ny ampahany betsaka ny atao hoe fotokevitra. Vitsy fa misy. Anjarantsika no mandalina sy manaraka ny toe-draharaha. Anjarantsika ny mametraka ny mpitondra antsika araka ny fotokevitra sy vina, hoy hatrany ny DHD.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap