airtel

Politique

21-juin-2024

Antoko politika Fiombonana

«Ny fianakaviambe iraisam-pirenena aza mahatsapa hoe misy tsy mety»

Sample post image

Efa hitan’ny sehatra iraisampirenena ny tsy fahatomombanan’ny zotram-pifidianana teto Madagasikara,

21-juin-2024

hoy ny antoko politika Fiombonana. Izay, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, no nahatonga ny vondrona iraisampirenena nitaky foana tamin’ny fitondrana hoe ahoana no fomba hahafahana manatsara ilay zotram-pifidianana? Ny fomba fikarakarana ny fifidianana sy ny fanatanterahana azy no tiana resahina amin’izany. Tafiditra ao ny mialoha sy mandritr’ilay fifidianana mba hahafahantsika misoroka ilay savorovoro aorian’ny fifidianana na «crise postélectorale». Ny fianakaviambe iraisampirenena aza mahatsapa hoe misy zavatra tsy mety anatin’ireo lalàna sy ny fikarakarana ilay fifidianana. Ahoana ary no tsy hahatsapantsika, indrindra, ry zareo eo amin’ny fitondrana, fa tokony ilaina izay zavatra izay. Amintsika miteny izao, noho izay tsy fihainoana, na io eo amintsika samy malagasy, na ireo fepetra sy fitakiana nataon’ireo vondrona iraisampirenena izay no mahatonga antsika amin’izao fotoana izao maheno fa misavovona ny fitoriana eny anivon’ny HCC mahakasika ireo tsy fanarahan-dalàna, na io mialoha ilay fampielezankevitra, na nandritr’izany, eny fa nandritry ny androm-pifidianana. Mampametra-panontaniana ankehitriny hoe anaty azo atokisana na «crédibilité» tanteraka ve izao ilay Fitsarana avo hamoaka voka-pifidianana? Sao sanatrian’ny vava hiahiahy izay vokatra avoakan’ny HCC eo ireo kandida izay nahatsapa tena fa tena nisy ireo fandikan-dalàna maro samihafa? Aza adino fa ny HCC izany dia tsy misy hiantsapazana hafa intsony. Io no tompon-teny farany amin’ny resaka fiazonana ny lalàmpanorenana na koa hoe mpanara-maso ireo fandikan-dalàna samihafa misy eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Mizotra mankany amin’ny fampandaniana an’i Harilala Ramanantsoa ny voka-pifidianana havoakan’ny Tribonaly

Card image cap
16-janv-2025

Mandeha be ny resaka efa ho andro vitsy izao fa miatrana an-dakazerina avokoa ny foloalindahy.

Card image cap
16-janv-2025

Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena ! Niparitaka omaly ny resaka nifamaofaho na avy amin’ny fanambarana

Card image cap
16-janv-2025

Azo lazaina ho takon’ny fiarovan-tseza tanteraka izany izao ny fiheverana izay hampandrosoana ny firenena

Card image cap
15-janv-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro

Card image cap
15-janv-2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

Card image cap