airtel

Politique

11-mai-2022

Politique

Antoko politika Fiombonana “Tsy miankina amin’ny krizy any Okrainina ny fiainantsika”

Sample post image

Tsy miankina amin’ny krizy ao Okrainina ny fiainantsika eto Madagasikara, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Fiombonana.

11-mai-2022

Manana loharanon-karena maro azo trandrahana isika, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Durlin Retogniane, hamahana ny olana misy, indrindra, ny lafiny ara-tsosialy. Tokony tsy hihanona fotsiny amin’ny vahaolana vonjimaika toy ny fampiakarana karama fa tokony hijery vahaolana maharitra. Ny fiakaran’ny vidim-piainana nisy foana fa tsy hoe lasa alohan’ny fampiakaran-karama izany tamin’ity. Manampy an’izay dia vao mainka misarika fampiakarana vidin’entana koa ilay fampiakaran-karama ka sao diso paikady ihany ny fitondram-panjakana raha mihevitra hamaha ny fahasahiranana misy amin’izao fotoana izao ny fampiakaran-karama? Mila jerena ny seha-pihariana misy eto Madagasikara satria aza adino fa raha voavolavola ireo seha-pihariana ifotony dia ho moramora kokoa ny vidim-piainana aty an-drenivohitra satria ny famokarana dia avy any ifotony. Iaraha-mahita amin’izao fotoana izao ny fanararaotana eny anivon’ny fiarahamonina. Ny mpitondra manararaotra ny madinika. Ny mpivarotra manararaotra ny mpanjifa saingy misy ilay fomba fijery vahiny izay moa hoe “vol autorisé” na halatra omena alalana ny varotra. Mila jerena noho izany ny momba ireo sarangan’olona tratry ny fanararaotana. Resaka tsy fisiana entana tsinona no mahatonga ilay fanararaotana ka mila miditra an-tsehatra amin’ny fampiharana ny atao hoe “vérité des prix” ny fanjakana. Ohatrinona no nankan’ireo mpivarotra ny entany dia tokony ohatrinona, noho izany, no hamarotany azy? Mila fantarin’ny tomponandraikitra, indrindra, eo anivon’ny minisitera hoe taiza avy no lalan’iny entana amidy iny vao tonga eo amin’ilay mpivarotra, hoy hatrany ity antoko ity ?

J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap