airtel

Politique

10-nov-2021

Politique

Antoko politika Natiora “Aza mialokaloka amin’ny hoe tsy an’ny atsy na ny aroa”

Sample post image

Averina hatrany fa fotokevitra ijoroan’ny antoko politika Natiora, hoy ny filohany, Mihari-Ni-Rencho, ny politikan’ny mahaolona. Manana fomba fijery afovoany na “centriste”

10-nov-2021

 koa izahay izay averina foana fa tsy midika hoe tsy an’ny atsy na ny aroa na koa hoe “neutre”, hoy izy. Tsy miteny izany “neutre” izany fa ny “centriste” tompoko dia manana ny heviny. Ny “centriste” rehefa voakasika ny mahaolona dia tsy maintsy itenenany. Misakafo ve ny vahoaka? Mahazo fitsaboana ara-dalana ve? Mahazo mianatra ve ny zanany? Izany no maha “centriste” fa diso ny fandraisan’ny antoko politika sasany azy. Misasaka izao ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Misy mpitondra, mpitantana, tena mpitandro filaminana ve eto? Rehefa dinihina tsinona ireo sehatra ireo dia tsy voafehy. Mila mijoro hilaza izany ny antoko politika fa tsy miafina amin’ny hoe izahay hery afovoany tsy an’ny atsy na ny aroa. Izahay izao tsy menatra ny miteny hoe mijoro ho mpanohitra anatin’ny RMDM satria arofanina ny fanoherana mba tsy hanaotao foana ny mpitondra. Tsy hoe rehefa mahazoazo aina kely ny mpanohitra dia hiteny daholo hoe izahay mpanohitra. Rehefa tsy izay indray dia hoe izahay aty amin’ny mpitondra. Fanaovana politika tsy manana ny maha izy azy izany. Ireny olona ireny no tena manahirana. Ny mampalahelo izao dia lazaina fa tsy ampy ny mpitandro filaminana nefa ny ankabeazany dia ampiasaina hiaro tombontsoan’olom-bitsy na vahiny eto amin’ny firenena. Efa sady omen’ny vahoaka vola no mbola mandray vola amin’ny maha mpitandro filaminana azy. Ilay vahoaka tsy afaka miasa satria vizaka. Sady voatery miaro ny fananany izy no mbola miala vola manakarama ny mpitandro filaminana hiaro ny fananany ka rariny ve izany, hoy hatrany ny Natiora.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap