airtel

Politique

11-nov-2021

Politique

Antoko politika Natiora “Aza mialokaloka amin’ny hoe tsy an’ny atsy na ny aroa”

Sample post image

Averina hatrany fa fotokevitra ijoroan’ny antoko politika Natiora, hoy ny filohany, Mihari-Ni-Rencho, ny politikan’ny mahaolona.

11-nov-2021

Manana fomba fijery afovoany na “centriste” koa izahay izay averina foana fa tsy midika hoe tsy an’ny atsy na ny aroa na koa hoe “neutre”, hoy izy. Tsy miteny izany “neutre” izany fa ny “centriste” tompoko dia manana ny heviny. Ny “centriste” rehefa voakasika ny mahaolona dia tsy maintsy itenenany. Misakafo ve ny vahoaka? Mahazo fitsaboana ara-dalana ve? Mahazo mianatra ve ny zanany? Izany no maha “centriste” fa diso ny fandraisan’ny antoko politika sasany azy. Misasaka izao ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Misy mpitondra, mpitantana, tena mpitandro filaminana ve eto? Rehefa dinihina tsinona ireo sehatra ireo dia tsy voafehy. Mila mijoro hilaza izany ny antoko politika fa tsy miafina amin’ny hoe izahay hery afovoany tsy an’ny atsy na ny aroa. Izahay izao tsy menatra ny miteny hoe mijoro ho mpanohitra anatin’ny RMDM satria arofanina ny fanoherana mba tsy hanaotao foana ny mpitondra. Tsy hoe rehefa mahazoazo aina kely ny mpanohitra dia hiteny daholo hoe izahay mpanohitra. Rehefa tsy izay indray dia hoe izahay aty amin’ny mpitondra. Fanaovana politika tsy manana ny maha izy azy izany. Ireny olona ireny no tena manahirana. Ny mampalahelo izao dia lazaina fa tsy ampy ny mpitandro filaminana nefa ny ankabeazany dia ampiasaina hiaro tombontsoan’olom-bitsy na vahiny eto amin’ny firenena. Efa sady omen’ny vahoaka vola no mbola mandray vola amin’ny maha mpitandro filaminana azy. Ilay vahoaka tsy afaka miasa satria vizaka. Sady voatery miaro ny fananany izy no mbola miala vola manakarama ny mpitandro filaminana hiaro ny fananany ka rariny ve izany, hoy hatrany ny Natiora.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap