airtel

Politique

25-mars-2022

Politique

Antoko politika Natiora “Fotoana hampiasana an’I Bemolanga sy Tsimiroro izao”

Sample post image

Miakatra noho ny fanapahan-kevitry ny OTAN sy ny amerikanina izao ny vidim-piainana manerana izao tontolo izao, hoy ny antoko politika Natiora.

25-mars-2022

Mazava ho azy fa hiantraika aty Madagasikara koa izany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho. Isika anefa mpivaro-drano tratr’orana satria manana an’I Bemolanga sy Tsimiroro izay tokony ahafahana mamelona antsika. Maherin’ny 2 Euro izao ny vidin-dasanjy any Eoropa. Miakatra ny dikan’izay ny saran’ny sambo. Miakatra koa ny vidina entana. Eo ilay mpanararaotra. Tsotra be ny vahaolana. Fotoana hampiasana an’I Bemolanga sy Tsimiroro izao. ahoana no atao hanokafana an’io mba tsy hiakatra aloha ny saran-dalana sy vidin’entana eto an-toerana? Azo atao koa mikasika ny fidiran’ny entana eto amintsika ny fanenana ny haban-tseranana mba hampidina izay vidin’entana izay ifehezana ny vidim-piainana. Azo hanararaotana hanampiana ny tantsaha hazoto hamboly koa izao. Ampirisihina ny olona hamoka-bary ho vidian’ny fanjakana amin’ny vidiny araka ny tokony ho izy. Raha tena te hampiseho io governemanta io fa mahavita dia izay no tokony ataony mba isehoany fa mahay mitsinjo mialoha ny fiantraikan’ny fidangan’ny vidim-piainana izy. Mila fitiavan-tanindrazana toy ny ataon’I Poutine ao Rosia izao, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap