airtel

Politique

14-sept-2022

Politique

Antoko politika Natiora “Mila vonjena ara-panahy ny Malagasy”

Sample post image

Tena ilaina ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny antoko politika Natiora, ary tena zava-dehibe ny fahavononan’ny FFKM. Raiamandreny ara-panahy ireo,

14-sept-2022

 hoy ny filohan’ity antoko ity, Rencho Mihari-Ni, satria ny malagasy dia mila vonjena ara-panahy koa ny malagasy. Mila isainan’ny malagasy tsirairay avy izao zava-misy rehetra izao. Efa nisy vono olona maro tany Antsakabary, Ankazobe, Moramanga, Ikongo, efa betsaka izay. Mbola faty olona koa ny tao Antsohihy sy Ambilobe. Fotoana hijoroan’ny FFKM izao satria mila mibebaka aloha ny malagasy. Tsy misy zavatra tongatonga ho azy fa fampisehoana ireny hoe mila midio ny malagasy tsirairay. Mila fo madio itondrana ity firenena ity satria I Madagasikara dia manana misitery nafoin-janahary ho an’ny malagasy. Adidin’ny FFKM no mandray an-tanana ny fikaonandoha. Miaina anaty savorovoro, fahasahiranana tanteraka, tsy filaminana ny malagasy. Tokony atsahatra amin’izay ny resaka lainga dia mila fahasahiana. Inona no tena zava-misy? Aoka hipetraka amin’ny maha olon’ny fitondrana na “homme d’Etat” ny ao anaty fitondrana. Ny famoahana ireo tsiambaratelo ao anaty fitondrana izay isan’ny mampisavorita-bahoaka miaina ao anaty horohoro dia ho lasa kolontsaina hipetraka eto amin’ny firenena, indrindra, ho an’ny mpanao politika. Mba atsaharo, hoy hatrany ny Natiora.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny Natiora
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap