airtel

Politique

30-déc-2021

Politique

Antoko politika Natiora “Sokafy ny governemanta”

Sample post image

Miha mitotongana ny mahaolona, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Natiora, nanombana ny fahitany ny fiainam-pirenena teto Madagasikara tato anatin’ity taona 2021 ity.

30-déc-2021

 Tsy mitsahatra ny manontany izahay, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho hoe misy fanjakana ve eto sa tsia? Tonga amin’ny hoe kamboty velon-dray sy reny ny Malagasy. Nanomboka tamin’ity taona ity dia efa mampivarahontsana na “catastrophique”, hoy ny teny frantsay, ny fiainam-bahoaka. Miiba iray na -1 no naoty omenay ny fitondrana mba hitenenana hoe -5. Ny andininy faha 19 ao amin’ny fanambarana iraisampirenena momba ny zon’olombelona izay manome zo ny rehetra haneho hevitra na ilay zo mahaolona voalazanay teo no tena tsy voahaja. Ny ady tany tsy hita noanoa. Amin’izao fotoana izao izany ny Malagasy sady tsy misakafo, ny saram-pianaran’ny ankizy tsy voaloha, ny vola entina hitsaboana tsy misy, ny fahatahorana sao misy manendaka amina vola 2000 ariary, izany rehetra izany mbola ampian’ny amin’izao fotoana izao fahatapahan-jiro. Ny any amin’ny fampianarana moa dia takotakomana. Nalaza be ny Appollo 21 fa sahala amin’ny nanao afon-jozoro dia nangingiana. Tokony nampahafantarina ny vahoaka satria natatatata be ilay hoe nisy ny fikasana hamono ny filoham-pirenena. Tokony nampahafantarina hoe tena nisy ve ilay izy? Nisy ve ilay tsikombakomba na “complot”? Raha nisy dia inona ilay “théorie du complot”? Nosaziana ny sivily fa nosaziana ny mpitandro filaminana kanefa tsy misy olona tsotra hahavita izany. Raha ny ao anatin’ny lalana dia tsy tokony hisy sazy miantona ny atao hoe “crime”. Ampahafantaro ny vahoaka fa nisy tokoa ilay izy dia ity no porofo! Vahaolana amin’ny taona vaovao ny fanoloana ny governemanta. Sokafy io! Omeo andraikitra daholo na mpanohitra na mpanohana! Aleo mba samy ho tompon’antoka amin’izay! Mila manoka-baravarana hidinika ny filoham-pirenena, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny antoko Natiora

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap