airtel

Politique

06-déc-2022

Politique

Antoko politika Natiora “Te hanao mirakla ny fitondrana”

Sample post image

Hita ho te hanao asa mafy sy te hanao mirakla ny fitondrana ankehitriny, hoy ny antoko politika Natiora. Maro ny nampanantenaina sy napetraka, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho.

06-déc-2022

Tena ilain’ny vahoaka io fa laharam-pahamehana ve? Resaka famatsiam-bola daholo io. Tsy izay mety aminao no ataon’ny mpamatsy vola fa izay mety aminy. Fanomezana nofinofy ny malagasy ilay izy fa inoana fa mety hanohy azy ny filoha manaraka eo. Ilaina ihany ireo tsinona saingy tsy mbola ilaina maika na ao anatin’ny atao hoe “urgence”. Amin’ny natiora dia fandriampahalemana no laharam-pahamehana. Ao ve izay? Mila misakafo ny vahoaka. Rehefa voafehy ny sakafo sy fandriampahalemana, tsy tenenina akory ny resaka JIRAMA satria mino aho fa rehefa tapitra migadra ireo tale ao ireo dia tsy misy delestazy intsony, dia izay. Mila ovana ny fanaovana politika eto satria amiko manokana dia efa misy rivo-baovao eto amin’izao tontolo izao. 62 taona isika nitodika niakandrefana. Andao indray mba hitodika hiantsinanana. Any atsinanana izao no hitako hoe vahaolana. Hiatrika fifidianana isika nefa ny vahoaka noana sy tsy mandry fahalemana. Tsy tokony hisy ambonin’ny lalana. Tsy hitako ny hametrahana ny fitsarana avo na HCJ sy ny PAC hoe miady amin’ny kolikoly satria fidifidiana ilay olona. Rehefa amin’iza no ampiharina ny lalana dia rehefa amin’iza no tsy ampiharina? Mila amboarina ho mety amin’ny kolontsaina malagasy ny lalana. Mety ny “digitalisation” rehefa manana herinaratra ny 90%n’ny malagasy. Omeo fahefana feno ny fitsarana avo dia izay fa atao inona moa HCC sy CENI? Firy isan-jaton’ny firenena eto amin’izao tontolo izao no manana an’izany, hoy hatrany ny filohan’ny Natiora ?
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny Natiora
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap