airtel

Politique

23-août-2022

Politique

Antoko politika Otrikafo Manahy fa ho loharanona korontana indray ny fifidianana

Sample post image

Hita ho miezaka manao ny asany izao ny andrim-panjakana mikarakara fifidianana, hoy ny antoko politika Otrikafo.

23-août-2022

Voalohany amin’izany ny CENI izay miezaka mikarakara ny lisitry ny mpifidy sy manazava ny rehetra mikasika ny fifidianana, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny. Misy sehatra maromaro voakasiky ny resaka fifidianana. Ankoatran’ny CENI izay mialoha ny HCC dia mpisehatra mivantana koa ireo sehatra politika. Eo koa ny fiarahamonim-pirenena. Ny lehibe indrindra moa dia ny vahoaka malagasy izany mifidy. Efa vonona hiatrika fifidianana tokoa ve ireo sehatra rehetra ireo? Tsara foana ny mampahatsiahy ny tantara mba tsy hahadiso antsika indray. Krizy taoriana fifidianana foana mazana ireny tamin’ny 2009 sy ny talohan’izay ireny. Misy antony ao matoa ireny tsy mivaha hatramin’izao. Manahy izahay fa ho loharanona korontana indray mandeha indray io fifidianana amin’ny 2023 io raha ohatra tsy mifandamina, tsy mifampiresaka mialohan’ny fifidianana. Hitokasana ve ny mpikarakara fifidianana, ny lalana hanaovana fifidianana raha toa ka toy izay efa niseho teo amin’ny tantara dia volana vitsivitsy mialoha dia tefitefen’izay eo amin’ny fitondrana amin’izay mampetipety azy io lalana mifehy ny fifidianana io? Mba misintona ihany ny feon’ny fiheritreretan’ny rehetra indrindra ny mpitondra fanjakana sy mpikarakara fifidianana izahay hoe tsy aleo ve aloha manana zavatra iombonana mialohan’ny irosoana amin’ny fifidianana? Tokony mba atao adihevitra amin’ny mpisehatra politika rehetra io lalana mifehy ny fifidianana io. Manana lalana mifehy ny fahasalamana, ranomasina, eny amin’ny lalana fa maninona no tsy mahavita manana lalana iombonana amin’ny fifidianana, hoy hatrany ny Otrikafo?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap