airtel

Politique

28-janv-2021

Politique

Antoko politika Otrikafo “Potika ny firenena raha mbola izao fitondrana izao…”

Sample post image

Mikatso tanteraka ankehitriny ny raharaham-pirenena satria miaina anaty

28-janv-2021

 

 

 

fahantrana lalina ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo omaly, tetsy amin’ny foibeny etsy Andravoahangy. Mijery ny politikan’ny fitondrana anefa ianao dia hita ho tsy mifanaraka amin’ny filan’ny firenena mihitsy. Ny 92%n’ny Malagasy izao dia mitady anio ny harapaka anio. Ny fanjakana kosa mirona bebe kokoa amin’ny fanaovana fotodrafitrasa manara-penitra. Niampy “téléphérique” moa izy tamin’ity. Tsy mifanojo ny politikam-panjakana sy filan’ny vahoaka Malagasy. Planeta roa samihafa ankehitriny no misy ny mpitondra sy ny vahoaka. Tokony hisy ady hevitra eo amin’ny samy mpanohitra satria ankoatry ny Otrikafo dia misy ankolafin-kery hafa mpanohitra koa toy ny RMDM sy Panorama dia hoy izahay hoe mba hampirindra sy hampitovy ny tadin-dokanga ny fanoherana dia andao hiray hina hijery izay fotokevitra hanoherana izao fanjakana mijoro izao satria raha mbola izao endrika fanoherana hita ho misy fisamatsamahana sy tsy fitovian-kevitra izao no mitohy dia tsy hitondra tombony ho an’ny firenena mihitsy. Mora ny milaza ny tsy mety ataon’ny mpitondra fa ilay politika enti-manohitra no hita ho adisoana foana hatrany amin’ny taona 1991 noho nankaty. Voaongana ilay fitondrana saingy tsy nanana politika hanatsarana ny fiainam-bahoaka ilay mpanohitra nahazo fitondrana. Potika anefa ny firenena raha mbola izao fitondrana izao no avelantsika hanao izay danin’ny kibony, hoy hatrany ny Otrikafo.

J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap