airtel

Politique

04-oct-2021

Politique

Antoko politika Otrikafo “Tsy mahay maka lesona ny mpitondra”

Sample post image

Niteraka resabe teo amin’ny tambazotran-tserasera ny adihevitra nisy teo amin’ny solombavambahoaka miisa 2 avy amin’ny mpanohitra sy mpomba fanjakana ny alin’ny zoma iny satria

04-oct-2021

 efa an-taonany maro no tsy nahita ny tahaka ireny, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo. Ny fanontaniana apetrakay dia hoe hisokatra amin’ny mpanohitra amin’izay ve izany ny TVM sy RNM manomboka eto sa ho sary indray mipika ihany ireny? Ny zava-misy mantsy, hoy ny sekretera jeneraly, Elia Rabevahiny, dia zary efa lasa fananana manokan'ny mpitondra nifandimby ny haino aman-jerim-panjakana ka tsy ahitana afa tsy ny hevitry ny mpitondra sy ny mpomba azy. Manantena izany izahay fa hitohy ny toa ireny mba hahafahan’ny vahoaka malagasy mahazo ny vaovao tena misy marina mba tsy handiso safidy azy ireo indray rehefa tonga ny fifidianana. Mialoha iny adihevitra iny dia nisy ny fanambarana avy amin’ny RMDM hoe tsy handray anjara ao amin’ny TVM. Tsy mahagaga izany satria efa hita mazava ny fivakisana eo samy mpanohitra izay averinay Otrikafo foana hoe tsy mahatsara endrika ny mpanohitra izany fa ilaina hatrany ny adihevitry ny samy mpanohitra mba hahafahana manambatra ny hery saingy tsy misy aloha izay hatreto. Ny fangatahana faharoa ihany koa dia hoe famerenana ny MBS amin’ireo karazana “Canal” efa nisy azy teo aloha. Rariny izany satria manana fifanarahana manokana amin’ireny ilay orinasa ka heverina fa tsy rariny ny fanapahan’ny mpitondra azy ireny. Mamerina foana koa izahay fa ny fanakatonana ny Viva no isany niaingan’ny raharaha 2009. Tsy mahay maka lesona anefa ny mpitondra ankehitriny fa sady giazany ny haino aman-jerim-panjakana no mbola elingelinina ihany koa ny orinasan-tserasera sasany aty amin’ny tsy miankina ka izay no ilazanay hoe tsy mba mahay maka lesona ny mpitondra fa zary manao ririnin-dasa tsy tsaroana, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap