airtel

Politique

21-mars-2022

Politique

Antoko politika Otrikafo “Voafatotry ny afera maloto niaraha-nanao ny mpitondra”

Sample post image

Tsy hitan’ny antoko politika Otrikafo izay maha vaovao ny governemanta vao nitsangana, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny.

21-mars-2022

Misy fiantsiana tian’ny mpitondra atao mihitsy ve amin’ny vahoaka Malagasy na kasaina ny hisiana karazana korontana eto amin’ny firenena, hoy ny Otrikafo? Rehefa mijery ilay firafitry ny governemanta dia misy olona tafaverina ao. Misy nafindra toerana. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny minisitry ny raharaham-bahiny isika ohatra dia ny vaovao, Richard Randriamandrato, dia hitantsika izany fa isan’ny olona naha be resaka ny fitantanany ny minisiteran’ny fitantanam-bola. Nafindra ary amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny izy izao. Nandritry ny nitantanany ny fitantanam-bola anefa dia tadidintsika fa nisian’ilay raharaha volamena 73,5 kilao tratra tatsy Afrika atsimo. Isan’ny voatonotonona tamin’ireny resaka ireny ny minisitry ny raharaham-bahiny ankehitriny ary isany neverina ho antony nanalana azy tamin’ny toerany izany. Ny minisitry ny rano, Fidiniavo Ravokatra, dia isan’ny minisitra nitantana minisitera andry na “poste clé” teo aloha dia ny harena an-kibon’ny tany. Ny filoham-pirenena ankehitriny ihany no niteny tamin’izany fa tsy nahavaly ny zavatra nandrasana taminy ny minisitra Fidiniavo Ravokatra. Naverina dia nomena departemanta hafa dia ny minisiteran’ny rano indray izy izao. Farany, tsy sanatria isika miresaka olona fa zava-misy ilay izy dia resahana hoe ny minisitry ny tontolo iainana vaovao izany izao dia mandeha ny resaka fa vadin’ny zandrin’ny minisitra Tinoka Roberto. Ankoatran’ny kiantranoantrano izany dia hitantsika hoe misy zavatra mampifamatotra ny filoham-pirenena amin’ny mpikamban’ny governemanta ka mahatonga ilay filoham-pirenena tsy tena sahy manapa-kevitra fa mamadibadika ny ekipa efa tsy nahomby ihany. Tsy misy vokatra azo andrasana amin’izany, hoy hatrany ny Otrikafo, ary ahitana izany fa tsy dia tena manana tanjona mihitsy amin’ny fampandrosoana ny fitondram-panjakana fa voafatotr’izay hoe afera maloto niarahana nanao izay dia voatery mamindramindra sy mamerina namana efa hita ho tsy nahomby tamin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap