airtel

Politique

02-sept-2022

Politique

Antoko politika Teza “Fanjakan’ny Baroa, mafia, tsy tan-dalàna no eto izao”

Sample post image

Ilay fomba fitantanana ao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao mihitsy no fomba fitantanana Mafia no sady fanjakan’ny Baroa, hoy ny antoko politika Teza.

02-sept-2022

Raha tokony ho izy, any ifotony any, dia misy ben’ny tanana na delege na lehiben’ny distrika. Ireny ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe “Magistrat de la ville”, hoy ny filohan’izy ireo, Dr Jean Louis Rakotoamboa. Ireny mibaiko ny mpitandro filaminana sy mandamina ny any fa amin’izao fotoana izao misy ny SEG izay mibaiko ny olona feheziny araka izay tiany hanaovana azy dia mitifitifitra erak’io rehetra io. Tsy tan-dalana intsony. Misy koa etsy andaniny, governora, izay hitantsika ireny ny adalana maro ataony. Izany no tena atao hoe Baroa ary indrindra betsaka ny tsy maty manota eto amin’ity firenena ity. Noho ilay lalampanorenana sy lalana fehizoro samihafa dia izay mpitondra ambony tsy maty manota rehetra dia mandalo amin’ny afo fandiovana antsoina hoe antenimieram-pirenena. Raha vao tsy ny 2/3n’ny ao no manaiky hoe ho tsaraina izy dia tsy misy fitsarana azo atao amin’izy ireo. Aponga miantona tsy azo velezina izao ny HCJ na fitsarana avo. Anarany mba misy fa tsy misy tsarainy satria olo-marina sy mendrika daholo ny mpitondra ambony noho ny antenimieram-pirenena. Izany rehetra izany no miteraka ilay fanjakan’ny baroa sy governemanta mafia eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ka ny olona no vonovonoina amin’ny tsy misy dikany sy tsy misy antony. Ny sasany tsy mandalo fitsarana dia tifirin’ny zandary. Sasany mbola ahiahiana dia tifirina. Mody atao hoe nitsoaka. Tena fanjakan’ny Baroa, tsy tan-dalana, mafia no misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mikorontana ambony ambany ny fitondrana ny firenena. Samy manao izay danin’ny kibony, izay heveriny fa mety, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny Teza 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap