mikasika ny demokrasia eto amintsika, hoy izy ireo. Mampiady lava, hoy ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa. Manjary miady amin’ny tsy misy dikany isika fa tsy voahaja araka ny tokony ho izy ilay safidim-bahoaka. Efa hatramin’izay io fa tsy vao izao. Isika gasy angamba no diso lalin-kefitra toy ny tsiboboka. Lany ny androatokom-piainana vao maniry ny tongotra. Efa ela no tokony amboarina ny fitsipi-dalao rehetra mikasika ny demokrasia vao tokony niroso tamin’ny fifidianana. Fitsipi-dalao hifanarahan’ny rehetra ilay izy. Tokony jerena amin’ny antsipiriany mihitsy fa mampiady io. Raha vao tsy mari-pototra ny demokrasia eto amintsika dia misy fifandonana ifandimbiasana na «alternance musclé» lava. Tsy hisy fampandrosoana vanona mihitsy eto. Mahatsapa izany ny rehetra tsy mety miady hevitra hanamboatra io fitsipi-dalao io. Ny vondrona eoropeanina no mamatsy ny fifidianana. Ao anatiny ny frantsay. Efa manana ny kandidany izy. Antsoiny fotsiny ianao handray anjara amin’ilay fifidianana. Omeny vola kely ny fiarahamonim-pirenena dia mba nahita fokontany miisa 4000 amin’ny fokontany miisa 12.000 manerana an’i Madagasikara dia milaza ny zavatra kely hitany fotsiny dia hoe tena mety ilay demokrasia nefa raha ny tena marina, tsy mivoaka araka ny tokony ho izy ilay safidim-bahoaka satria afaka manao lalao ara-pifidianana na «manœuvre électorale» be mihitsy ny eo amin’ny fitondrana hatrany amin’ny fokontany ka hatraty ambony ary tsy misy maharaka an’ilay izy. Jereonareo fa na ny Firaisankina na ny Kolektifa tsy mahafeno kandida manerana an’i Madagasikara akory. Tsy manana delege ary sy ary akory. Izany rehetra izany no ahitana hoe kitoatoa ilay fifidianana. Izahay angamba no tsy manam-bola na kely vovok’aina dia aleonay miroso amin’ny fanamboarana tsara ny fitsipiky ny demokrasia izay vao miroso amin’ny fifidianana fa raha tsy izany ataon’ny olona fitaovana fotsiny. Miantso izay herivelona rehetra mahatsapa izahay hoe tokony atao ilay izy. Andao hihaona isika! Andao hampifandray tadin-dokanga dia avy eo entina amin’ny vahoaka ny tolon-kevintsika dia ho hita eo izy raha mirona amin’izany na tsia. Raha sanatria tsy mirona moa dia izao izany no tiantsika malagasy fa izahay mino fa samy te hiaina amin’izany tena demokrasia izany ny olona rehetra eto Madagasikara. Ny olombelona dia mitady ny soa hatrany. Tsy azo avela amin’izao intsony ny firenentsika fa potika! Ny kandidan’ny vondrona eoropeanina ihany, izay ao anatiny ny frantsay , no lany sy manao izay tiany atao eto fa ny ambiny atao haingon-tsehatra sy fitaovana fotsiny, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia