airtel

Politique

08-juil-2021

Politique

Antoko Teza “Tsy ahita vahaolana io fitondrana io”

Sample post image

Maina izao ny faritra atsimo vokatry ny toetr’andro eto amintsika, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa.

08-juil-2021



Isan-taona any misy kere foana fa nitombo be fotsiny izy tamin’ity, hoy izy. Tokony efa nanana praograma mialoha hiatrehana izany raha hitondra firenena. Mety hiitatra manerana an’I Madagasikara iray manontolo aza ny kere amin’ny herintaona noho io toetr’andro io. Miankina amin’izay tsinona ny fambolena sy fiompiana. Eo ny sehatra iraisampirenena hanampy fa ny fomba hiadianao amin’ilay izy tsy resaka fanaovana kianja manarapenitra intsony na fividianana fitaovam-piadiana hanaovana matso fa zavatra ilain’ny any ifotony mihitsy no tokony jerena sy amahana ny olana. Raha io fitondrana ankehitriny io tsy ahita vahaolana amin’izany mihitsy, hoy ny Teza. Miakatra ny krizy izao etsy ankilan’izay satria efa 70 dolara any ny barilin-tsolika. Nidina be nefa teo raha ny tokony ho izy. Nisy bolongam-bola tao 40 dolara ny barila tamin’iny aretina teo iny. Notazomina nefa ny vidin-tsolika teto, izany hoe, misy tombony 30 dolara isaky ny barila eo azon’ny fitondrana. Aiza ny vola io? Tokony nanaovana fanadihadiana parlemantera fa tsy hita any amin’ny lalana mifehy ny tetibola hoe nisy vola izao azo avy any amin’ny solika. Ireny no tokony hanetsemana hanaovana famatsiana na “subvention” amin’ny fiakaran’ny solika satria tsy maintsy hiakatra io. Devizy dolara no ividianana an’io, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap