airtel

Politique

30-juin-2022

Politique

Antoko TIM feno 20 taona Miomana haka fahefana indray…

Sample post image

Miditra ao anatin’ny kihon-dàlana politika vaovao ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM, izay mankalaza ny faha-20 taona nijoroany manomboka anio 30 jona 2022.

30-juin-2022

Tsy ny antoko rehetra fa antoko vitsy no nahavita niaina, nihetsika, ary nitombo velarana ao anatin’ny 20 taona izany, hoy ireo komity nasionaly mpanomana ny faha-20 taona. Hitandavana mandritra ny taona ny fanamarihana, hisy ny ivon’ny fankalazana, ary hisy ny lanonan-dehibe famaranana. Anio alakamisy amin’ny 2ora tolakandro no hanomboka ny karazana hetsika manomboka eny amin’ny Magro Behoririka, hosantarina amin’ny fampiratiana ny tantaran’ny TIM tao anatin’izay 20 taona izay. Misokatra ho an’ny rehetra io, ahitana raki-tsary, raki-tsoratra,… izay hitohy rahampitso. Ny sabotsy izao kosa no tena endrika lehibe maneho ny fanombohana, izay amin’ny alalan’ny fanopoam-pivavahana lehibe fangataham-pitahiana, arahina kabary lehibe sy fanazavan-kevitra samihafa. Ny eto Antananarivo izay, fa ny ratsa-mangaika rehetra (FARTIM, REGTIM,…), ny antanan-tohatra rehetra eo amin’ny TIM dia hanana anjara fankalazana, malalaka amin’ny fanomanana fa fandaminana ara-potoana no ataon’ny foibe, hoy ireo komity mpanomana nasionaly. Niarahaba ny mpikatroka TIM noho ny fahatrarana ny 20 taona ny Sekretera Jeneraliny Atoa Rina Randriamasinoro. « Tsy azo sarahina amin’ny tantaran’ny firenena ny tantaran’ny TIM, efa nitondra ny firenena nandritra ny 7 taona, ary rehefa nisy izany fivoaran’ny firenena izany, dia tonga ny fanonganam-panjakana izay niarahantsika nahalala. Nanomboka teo amin’io fanoganam-panjakana dia natao foana ny fanenjehana ny Antoko TIM, matoa anefa ny antoko naharitra 20 taona dia isika rehetra no afaka mamaly hoe : hatraiza ny tanjany, ary omeo alalana ny TIM hanao fihetsiketsehana ahafantarantsika rehetra hoe : hatraiza ny hery sy ny tanjaky ny TIM», hoy i Rina Randriamasinoro. Karazana fiaingana politika vaovao ho an’ny TIM hanomanana sy hanamboarana ny paikady hakana indray ny fahefana amin’ny fomba demokratika io, rehefa zohiana.
“TSY MIHEMOTRA”
Nanentana ireo rafitra TIM miainga any amin’ny Fokontany hamondron-kery sy ho avy hifanotrona sy hifanohana amin’ny hetsi-pankalazana rehetra ny Sekretera Jeneraliny. Antoko politika ny TIM, ny hetsika izay hatao dia mazava ho azy fa hetsika politika satria fiainan’antoko no resahina, ny filoha tsy maintsy hisy ny kabary politika, ny antoko matoa mijery dia mandinika ny raharaham-pirenena sy ny fomba iarahana manampy ny vahoaka Malagasy. Manoloana ny mety hisian’ny sakantsakatsakana, ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko dia tsy mihemotra izahay, izay no maha antoko politika anay, ary mino izahay fa handeha am-pilaminana izany. Toerana mifefy sy an’ny tsy miankina no hanaovana izany, tsingerin-taona no ankalazaina, tsy mbola misy resaka hoe : fanaovana «carnaval» eny an-dalana na fanaovana fanehoan-kevitra fa fankalazana no atao, ka heverinay fa tsy tokony hisy ny sakantsakana, ary tsy tokony hisy akory ny mety hoe : fangatahana na hahazo alalana na tsia satria tahaka ireny mankalaza tsingerin-taona rehetra ireny. Ao anatin’ny tranonay izahay no manao izany, ka tsy haiko hoe : tokony haka alalana aiza ? Tsara ny mampahatsiahy fa norarana hatramin’ny farany ny hetsi-pankalazana ny faha-15 taonan’ny TIM tetsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina tamin’ny jolay 2017.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap