airtel

Politique

05-sept-2022

Politique

Antoko UNDD “Maika ny fampihavanam-pirenena”

Sample post image

Tsy hainay mpitarika sy mpikambana ato amin’ny antoko UNDD ny hangina. Miondrika ampanajana sy miara-miory amin’ireo havana namoy fianakaviana, vady, zanaka, mpiray tampo, mpiara-monina izahay,

05-sept-2022

manoloana ny zavamisy mampalahelo iainan’ny mpiray tanindrazana any Ikongo izay namoizana aina malagasy am-polony, hoy io antoko io naneho fiaraha-miory sy nitondra ny teny fampaherezana. Nirary fahasitranana haingana ho an’ireo maratra ary mankahery ireo mpitsabo manao ny ainy tsy ho zavatra mikarakara ireo marary sy maratra ihany koa. “Melohinay marindrano eto ny fakana an-keriny sy fampihorohoroana tsy misy farany ny zaza sy ny olona varira miseho lany etsy sy eroa izay loharanon’ity tranganjavatra mahonena ity. Tsapan’ny rehetra ankehitriny ary mbola hamafisin’ny zava-misy ny maha-zavadehibe ny fampihavanana amin’ny ambaratonga samihafa eto amin’ny tany sy ny firenena”, hoy hatrany ny UNDD. Nomarihiny fa ny Fampihavanam-pirenana izay nataon’ny antoko UNDD filamatra no antoky ny fampivoarana sy fiarahamonina mirindra. Nanainga ireo mpitondra mahefa isan'ambaratongany hanao laharampahamehana izany Fampihavanam-pirenena tena izy hatrany ifotony izany izay ambaran’izy ireo ahafahan'ny rehetra miara-manarina ny Firenena iombonana noho izany io Antoko io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap