airtel

Politique

28-juin-2024

ASSANATI FAMO GIDRAKA

« Mandraisa andraikitra ianareo depiote »

Sample post image

Nivoaka omaly Alakamisy 27 Jona tamim-pomba ofisialy ny voka-pifidianana solombavambahoaka manerana ny Nosy.

28-juin-2024

Tsy manadino azy ireo fa mirary soa ho an’ny tsirairay izay tafavoaka tamin’iny fifidianana iny Rtoa Assanati Famo Gidraka mba hahefabe amin’ny adidy aman’andraikitra hankinina aminy. Ataontsika adin’ombilahy izany hoy izy ka ny naharesy tsy hobiana, ny resy tsy hakoraina. Ho an'ireo resy kosa dia mankahery azy ireo hanohy hatrany ny fandraisana andraikitra efa nataony Rtoa Assanati. Tsy natao ambanin-javatra nandritra izany ireo kandida vehivavy. Ho an’ireo lany soa aman-tsara dia nambarany fa lehibe ny dingana vitan’izy ireny satria ny Reny no fototra maha Firenena. Mahaleova mahalasana. Mahavita be amin'ny asa aman'andraikitra miandry anareo. Misy koa ny renim-pianakaviana nifaninana kanefa tsy tafavoaka. Mahereza hatrany fa aoriana mbola ho avy ny fandresena. Ho an'ny fetin'ny fahaleovantena dia miarahaba ny vahoaka Malagasy rehetra nahatratra ny faha 64 taona ny fahaleovantena izy. Arahabaina fa vita soa ny Asaramanitra. Nanamarihantsika iny fety iny ny fizarana vorona tamin'ireo Malagasy mpiray tanindrazana maro hoy Rtoa Assanati. Mikasika ny vaovao indray dia fantatra fa hivahiny ao amin'ny Rnm i Assanati Famo Gidraka ny sabotsy ho avy izao amin'ny fito Ora sy sasany hariva.
Pati
Legende : Rtoa Assanati Famo Gidraka, filoham-boninahitry ny Fikambanana Assanati Famo Gidraka !
 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Mihamafy ny fipoahana sosialy ateraky ny olana samihafa miantraika ara-toekerana,

Card image cap
16-juin-2025

Hakiviana ny an’ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao

Card image cap
13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap