airtel

Politique

26-nov-2021

Politique

Auguste Paraina “Aoka hitandrina amin’ny vava avoaka!”

Sample post image

Nangataka fanampiana tamin'ny firenena egyptianina i prezida Andry Rajoelina mba hanamboarana ny lalana mikodana,

26-nov-2021

 Antananarivo-Toamasina, izay efa nolazaina anefa tany aloha fa efa hanomboka alohan'ny faran'ity taona 2021 ity ka ho vita alohan'ny faran'ny taona 2023, hoy ny minisitra teo aloha, Auguste Paraina. Faly sady nitehaka daholo ny rehetra, fa indrindra, ny mpisolelaka, nefa indrisy, izao vao fantatra fa mbola tsy vonona akory ny vola sady 250 km tsy vita anatin'ny roa taona rahateo, hoy izy. Mazava ho azy fa tsy afaka hanampy antsika i Egypta izay mba mitady vola etsy sy eroa ihany koa fa indrindra amin'ny firenena arabo mpamokatra solitany hanaovany fotodrafitra . Ankoatran'izany dia misedra olana io firenena io noho ny disadisa misy eo aminy sy ny firenena etiopianina taorian'ny fahavitan'ny tohadrano lehibe “La Renaissance”. Etiopia indray izao no lasa mifehy tanteraka ny renirano lehiben’I Neily ka misedra fahasahiranana i Egypta. Aoka isika tsy hangataka lava amin'izao firenena rehetra izao ary mba hitandrina amin'ny vava avoaka toy ny hoe “isika tsy hitrosa intsony fa mety hampidrana an'i kaomoro”, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap