airtel

Politique

18-oct-2021

Politique

AVI Amoron’i Mania “Tsy tokony hisy tsy maty manota eto”

Sample post image

Tao aorian’ny Faritra Vakinakaratra sy Menabe dia notanterahina tao Ambositra ny lao-bary an-dasim-paritrin’ny Antoko AVI na Asa Vita Ifampitsarana ho an’ny Faritra Amoron’I Mania ny 15 sy 16 oktobra 2021 lasa teo,

18-oct-2021

 tao amin’ny Espace Ny Anjara Soa Ambositra. Tany an-toerana ny Filoha mpanorina ny AVI Atoa Norbert Lala Ratsirahonana. Nanatrika izany ny mpikambana solontenan’ireo distrika 4 mandrafitra ny faritra. Noresahina nandritra ity loa-bary an-dasy ity ny olana hita eny ifotony. Naneho ny hetahetany ireo mpikambana mba hampandrosoana ny antoko eny ifotony. Mijoro mandrakariva amin’ny foto-kevitra nanorenana hatramin’ny taona 1997 ny Antoko dia ny : Fanjakana tsara tantana, ny demokrasia, ny fanjakana tandalàna. Mivohy ihany koa ny fampandrosoana mitovy isam-paritra na ny « développement équilibré ». Manohana ny fitondrana misy ankehitriny ny Antoko AVI, hoy ny filoha mpanorina fa kosa dia miteny ny tsy mety izay hita sy miseho etsy sy eroa, anjarany fitondrana anketriny no hihaino na tsia. Naneho fa manaraka hatrany ny fiainam-pirenena moa ny antoko ary miheno ireo fitarainana izay miseo eny amin’ny fiarahamonina. Isan’ny notsipihin’ny filoha mpanorina ny AVI, fa tsy tokony hisy ny tsy maty manota eto amin’ny Fanjakana : rehefa manao ny tsy mety dia tokony ho sazin’ny lalàna velona avokoa ny mpitondra isan-tokony satria izany no tsy mampandroso. Misy ihany koa hoy, hatrany Andrimatoa Norbert Lala Ratsirahonana, ny mitavozavoza ireo tompon’andraikitra ka mahatonga ny hetsika fitokonana etsy sy eroa, ary rariny raha mitaky ny karamany ny olona satria fivelomany izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap