airtel

Politique

29-janv-2021

Politique

Baiko ho an’ny governora Làlana tahaka ny ahoana ilay 200-250 km ?

Sample post image

Nanome baiko ny Governora ny Filoha fa tsy maintsy mahavita lalana 200-250km isan-taona ny Faritra.

29-janv-2021

 

 

 

 

 Ny tetibola voasoratra ho an'ny Faritra tantanan'ny Governora anefa dia 2 miliara ariary, ka ny 1 miliara hampandehanan-draharaha, ary ny 1 miliara ar hanaovana fotodrafitrasa. Araka ny fanehoan-kevitra nataon’Atoa Patrick Raharimanana anefa dia: Mitentina 5-6 tapitrisa euross na 25 miliara ariary eo ny 1km raha “autoroute”; ny lalana “2x2 voies” dia 4-5 tapitrisa euros na 21 miliara ariary ny 1km. Raha fanoloana ny “couche de roulement” amin'ireny làlam-pirenena ireny indray dia 100 000 euros na 420 000 000Ar isaky ny km; raha hanamboatra vaovao kosa dia 2-4tapitrisa euros na 17 miliara ariary isaky ny km. Tsy ao anatiny ny tetezana sy ireo fotodrafitrasa vaventy. Raha hanao lalana rarivato na “pave” kosa dia 30 000 euros na 120 000 000Ar ny km; Raha anao lalan-tany dia 10 000 euros na 20 000 000 ar eo ny kilometatra. Koa asa ilay baiko eto na hanao lalam-baovao, na hanao Tip Top, na hanao inona, fa io tsy vitan'ny baiko fa mila omena vola anamboarana azy ireo faritra, hoy i Patrick Raharimanana. Fotoana izao anomezana lanja ny Faritra, aleo ho tantanan'ny Faritra ny harenan'ny Faritra, ny anjaran'ny foibe no omena ny Faritra, fa tsy hoe lasan'ny foibe avokoa ny harenan'ny faritra, dia izy no manome izay tiany omena ny Faritra, hoy hoy hatrany Atoa Patrick Raharimanana. Tena ho azo antoka ihany koa ve etsy andaniny ny famatsiana 8 miliara dolara hanamboaran-dàlana sy “autoroute”? Manam-bola ampifandanjana amin’izany ve ny Firenena Malagasy ?

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap