airtel

Politique

15-juil-2022

Politique

Balarora sy fampanantenana poakaty Tokony hakana lesona ny nafitsok’i Rajoelina

Sample post image

Fotoana hakana lesona ara-politika ny zava-misy ankehitriny sy ny tany aloha. Raha ny toetra sy ny fomba fiadin’ny ankamaroan’ny politisianina, efa tànana zatra mitsotra ny fampanantenana poakaty hahazoana vatom-pifidianana,

15-juil-2022

fa ny vahoaka no mila mahay mandinika. Mila mahay mijery sy mamakafaka ny vinam-piarahamonina aroson’ny kandida tsirairay. Io no isan’ny amidy amin’ny propangady mba hahazoana ny fon’ny olona, ankoatra ny fizarazaran-javatra ataon’ny kandida mpanam-bola, ny famalifaliana amin’ny artista,.... Saika tsara avokoa ny vina amin’ny ankampobeny. Mila fantarina tsara ilay kandida, ny zavatra efa nataony sy vitany, ny fomba fiasany, ny toetrany, ny paikady hoentiny manatanteraka izany,... Lesona ho an’ny Malagasy ny zava-misy ankehitriny amin’ny afitsoky ny fitondrana Rajoelina io. Ohatra iray mivaingana ny zava-miseho any amin’ny faritra mpamokatra lavanila. Raha hiverenana ny tantara, nampanatenain-dRajoelina tamin’ny propagandy 2018 fa hampiakariny avo telo heny vidin’ny lavanila. “Tsy avelako hogejain’olom-bitsy intsony ianareo. Ampy izay ny fanararaotam-pahefana eo amin’ny lavanila…”, hoy izy. Nampanatenaina hatramin’ny laboratoara momba ny lavanila. Vokany, ny Faritra SAVA no nahazoan’ny kandida Rajoelina isan-jato ambony indrindra tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa ny taona 2018 satria nahatratra 86,83%. Mbola faritra mpamokatra lavanila ihany koa ny faharoa dia i Analanjirofo, izay nahatratra 85,9%. Tsy araka ny fampanantenana anefa ny vokatra. 600 dolara na 2,3 tapitrisa Ar ny namarotantsika lavanila maina tamin’ny tsena iraisam-pirenena ny taona 2018, raha toa ka 200 000Ar teo kosa ny lena. Ankehitriny, io 75 000Ar io ny lena, ary 250dolara kosa ny fanondranana any ivelany. Fisondrotana avo telo heny nampanantenaina, saingy fitotonganana 100% mahery no miseho. Raha izao fandehany izao, mety ny 6% amin’ny 86% tamin’ny fifidianana no ho azo amin’ny 2023. Sa mbola hahomby ny fampanantenana poakaty ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap