airtel

Politique

10-mai-2022

Politique

Banky Iraisam-pirenena “Afaka 70 taona i Madagasikara vao hitovy amin’i Rwanda…”

Sample post image

Sesilany ny fanehoan-kevitra ataon’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena mikasika an’i Madagasikara. Taorian’ny Vondrona Eoropeanina izay naneho, fa mila antoka ara-pandraharahana na “climat des affaires” tony sy milamina i Madagasikara,

10-mai-2022

dia maneho hevitra ihany koa ny Banky iraisam-pirenena tao amin’ny tranonkalan-tseraserany, fa afaka 70 taona ny firenentsika vao hahatratra ny toerana sy ny tanjaka ara-toekarena misy an’i Rwanda ankehitriny. Ity firenena ity izay rotiky ny ady an-trano 30 taona lasa, ary ny taona 2008, dia mbola tany aorian’i Madagasikara amin’ny resaka fiakaran’ny harin-karena faobe, saingy efa lasa lavitra sy fitaratra aty Afrika amin’izao fotoana izao. Isika izay efa fitaratry ny ONUDI (Organisation des Nations Unies pour le Développement Industriel) tamin’ny Fitondrana Ravalomanana, saingy nofinofy sisa izany. Henjana ary mampanongo tena hoe: afaka 70 taona vao hahatratra sy hitovy amin’ny misy an’I Rwanda amin’izao, ka nanipihan’ity rafitry ny Bretton Woods ity, fa mila fanavaozana goavana isika. Midika izany fa tsy mahomby ny fitantanana misy ankehitriny izay mety ho noho ny antony maro : rafitra, laharam-pamahemana, finiavana politika,… Nambaran’ny Banky iraisam-pirenena fa voafetran’ny rafitra ny fiakaran’ny toekaren’i Madagasikara. Tsy mifandraika amin’ny olombelona ny fotodrafitrasa, fambolena sy famokarana tsy mifandraika amin’ny zava-misy, faharefoan’ny governemanta sy ny andrim-panjakana,… Nahitsy ny Banky iraisam-pirenena naneho, fa firenena fahaefatra maneran-tany manana tahana tsy fanjarian-tsakafo ambony indrindra i Madagasikara. Ny 97% amin’ny ankizy latsaky ny 10 taona tsy mahay mamaky teny sy manoratra sy mahazo zavatra mifandraika amin’ny taonany. Tsy maharakotra afatsy ny 6% amin’ny vahoaka ny resaka fiarovana ara-tsosialy eo anatrehan’ny fahantrana mandifitr’olona. Mila mitondra fanavaozana lalina ny governemanta mba hahafahan’ny mpampiasa vola vaovao amin’ny sehatra samihafa hanana antoka, afaka ny hamorona asa, mila fotodrafitrasa fototra mifandraika amin’ny filàn’ny vahoaka maro an’isa ao anatin’ny fahasahiranana. Notsindrian’ny Banky Iraisam-pirenena ireo lafiny tena mila fanaovaozana maika : fanafainganana ny fanaovana vaksiny, fanamafisana ny fiatrehana ny fiovana mahery vaika ara-toetr’andro, fanatsarana ny asam-panjakana, fanavaozana momba ny fananan-tany, fisintonana mpampiasa vola ho an’ny sehatry ny herinaratra izay tena mindangana ankehitriny, ny nomerika, ny fitaterana.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap