airtel

Politique

20-août-2021

Politique

Baomiavotse Vahinala Raharinirina “Tokana ny ministeran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy”

Sample post image

Politika tokana no entina eto anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra, hoy ny minisitra Baomiavotse Vahinala Raharinirina,

20-août-2021

 dia izay voarakitra anaty velirano faha 10 an’ny filoham-pirenena dia ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary, nandritry ny fandraisana ny minisitra lefitra vaovao hisahana ny fandrakofana ala tetsy Ambatobe omaly. Ny singa manokana amin’ny fandrakofana ala kosa no omena ho sahanin’ny minisitra lefitra, hoy izy. Minisitera tokana ny MEDD. Fanamby lehibe mikasika ny fandrakofana ala, noho izany, izao dia ny hoe handeha lavidavitra noho izay efa vita ny minisitera ary tena hipaka any amin’ny faritra sy distrika rehetra, indrindra, hidina any amin’ny kaominina sy ny fokontany ny fanarenana ny alantsika. Efa tazantsika moa ny ezaka nisy sy natomboka. Fantatsika ihany koa isan’ny minisitera nisongadina ny minisiteran’ny tontolo iainana amin’izay fidinana ifotony izay. Ny fanirianay ary iriako iaraha-mitondra ny hoe ho tonga any amin’ny distrika rehetra mihitsy ary hidina hatrany amin’ny kaominina manerana an’I Madagasikara ilay politikam-pambolen-kazo matihanina manakaiky ny ifotony ary mba ho tsapan’ny Malagasy tsirairay avy fa ny zavatra ataontsika rehetra dia maintsy hanatanterahana ilay fanarenana anaty fotoana fohy, hoy hatrany ny tenany
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap