airtel

Politique

18-juin-2024

Be loatra ny babakoton’ny frantsay eto

«Misy ao anaty fanoherana, fa indrindra, anaty fitondrana!»

Sample post image

Naharesy ny fitondrana dia mampitandrina amin’izay hoe tena nisy demokrasia teto,

18-juin-2024

hoy ny antoko politika Teza. Aoka samy hionona amin’izay isika fa izahay izao no tena mamim-bahoaka fa ianareo mangidy hoditra daholo, hoy ny filohan’ity antoko politika ity, Jean Louis Rakotoamboa, no dikan’ireny. Asakasak’izay rehetra nandray anjara tamin’ireny fifidianana ireny fa izahay Teza manokana dia miteny hoe haingon-tsehatra ianareo, nataon’olona fitaovana fotsiny! Efa manana ny lohany izy. Efa manana ny frantsay izay manohana azy izy ao amin’ny vondrona eoropeanina sy ny sehatra tandrefana rehetra any. Eo amin’ny sehatra iraisampirenena dia ao anatin’ny atao hoe «rupture de mode de vie occidentale» na faharavan’ny fomba amam-panao niarahana amin’ny tandrefana isika izao. Misetrasetra be ilay nefa tsy maintsy hizoran’ny firenena rehetra eran’izao tontolo izao satria tsy hisy afaka hiainana mandrakizay amin’izany fanjakana firenena iray izany. manana tombontsoa goavana be arovana eto amintsika izao, ohatra, ny frantsay. Sarkozy no nametraka an’ingahy Andry Rajoelina teo. Mba niteny ingahy Andry Rajoelina hoe ho averina amintsika ny nosy manodidina dia hoy i Macron tatsy amin’ny Nosy Sambatra na «Iles Glorieuses» hoe «Ici c’est la France!» na hoe Frantsa eto ka haninona ianao dia nifona tany ingahy Andry Rajoelina dia manao izay tiany atao dia tsy afaka miroso ny firenena fa izay tian-drizareo atao no atao eto amin’ny firenentsika. Ao anatin’ny fialana amin’izany fanjakazakan’ny tandrefana izany amin’izao fotoana izao izao tontolo izao. Efa manomboka tsy mampiasa Dolara intsony na i Arabia saodita aza. Tapitra ilay 50 taona hoe amin’ny vola Dolara no ividianana ny solitany na «pétrole» na «pétrodollar». Izao izy efa manomboka mivarotra ny solikany amin’ny vola hafa toy ny Yen. Ny BRINKS izao, izay natsangana firenena miisa 5 dia efa mihitatra be satria hitan’ny olona hoe metimety kokoa mba hahafahana miala amin’ny fanjakazakan’ny tandrefana ny fisian’ilay BRINKS ary manao ny bankim-pampandrosoana ry zareo. Mba moramora kokoa ny zana-bola ary mba tena ianao no manapaka ny ataonao. Ataon’ny tandrefana fitaovana hanjanahana antsika ny banky iraisampirenena sy FMI. Firy taona izay isika asain’ireo manao «ajustement structurelle» na fanamboarana ny rafi-pitantanam-bola, asaina manao an’izao fa mandroso ve ilay firenena? Tsia no valiny. Niteny i Sarkozy tamin’ny 2009 hoe andao haongana i Ravalomanana dia tsy nisy niaro azy na ny alemanina na ny aty amin’ny vondrona eoropeanina na ny amerikanina. Rehefa niteny i Sarkozy hoe andao ho vonoina i Kadhafi dia nanaraka daholo ireo. Niteny ny amerikanina hoe andao hesorina ao i Saddam Hussein! Nanaraka daholo ireo. Hitanareo ireny fa nodarohana i Yougoslavie. Natsangany ny firenena Kossovo. Tsy nisy afaka niaro. Izany no tombontsoan’ny tandrefana sy demokrasia tandrefana. Any no mahatonga ny firenentsika milentika amin’izao fotoana izao. Be loatra ny babakoton’ny frantsay eto. Misy ao anaty fanoherana, fa indrindra, anaty fitondrana, hoy hatrany ny Teza!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy

Card image cap
17-janv-2025

Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.

Card image cap
17-janv-2025

Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao

Card image cap
17-janv-2025

Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».

Card image cap
17-janv-2025

Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,

Card image cap
17-janv-2025

Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara

Card image cap