airtel

Politique

30-août-2024

Ben'ny tanànan'ANKADIMANGA

" Rano fisotro madio sy fambolena no laharampahamehana"

Sample post image

Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tananan’ny kaominina ambanivohitr’Ankadimanga, distrikan’Atsimondrano Razafinanja Befandro.

30-août-2024

Raha araka ny fanazavany mantsy dia ny 75%-n’ny asa fampandrosoana nampanantenainy ny vahoaka nandritra ny fotoam-piasany voalohany no vita hatreto. Antony mbola hilatsahany hirotsaka hofidiana izany hamitany ireo asa 25% ambiny. Anisan’ny asa goavana efa vitany tao Ankadimanga ohatra ny famatsiana rano fisotro madio ny mponina. Ny fanaovana vaindohan-draharaha ny resaka fambolena. Afaka nanetsa hatrany ny mponina raha araka ny fanazavany ary tsara hatrany ny voka-bary. Toraka izany koa ny vokatra ovy izay nahafahan’ity kaominina ity namatsy ireo kaominina namany hafa manodidina. Tsy latsa-danja tamin’ireo ny lafiny fampianarana izay nahavitan’ity Ben’ny tanana iray ity nanangana CEG vaovao izay ho afaka handray mpianatra manomboka amin’ity taom-pianarana vaovao 2024-2025 ity raha hikambanany amin’ireo kaominina hafa namana kosa ny lisea. Farany izay sady goavana indrindra dia ny fahavitan’ny paositry ny zandarimariam-pirenena ao Ankadimanga izay ho afaka hiahy mivantana ny mponina amin’ny fiarovana azy ireo sy ny fananany. Anisan’ny asa mbola hovitain’ity Ben’ny tanana aorian’ny fahalaniany araka izany ny fanamboarana ilay lalana mirefy 1300 m hahafahan’ireo tantsaha mpamokatra mivezivezy mamoaka ny vokany. Toraka izany koa ny mba hahafahan’ny olon-tsotra miaina an-kahalalana indrindra fa rehefa fotoam-pahavaratra.
Pati
Legende : Razafinanja Befandro, Ben’ny tanànan’ny kaominina Ankadimanga Atsimondrano .
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap