airtel

Politique

05-juil-2022

Politique

Ben’ny tanànan’Ambohibao Antehiroka Mampandroso kokoa ny asa ny fanana ilay « immunité »

Sample post image

Vaovao mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao hatrany hatreto ny mikasika ilay fanapahan-kevitra noraisin’ny

05-juil-2022

Fitondram-panjakana ary nolaniana teny anivon’ny Antenimieram-pirenena momba ny immunite omena ny Ben’ny tanana manerana ny Nosy. Naneho ny hevitra mikasika izany Atoa Lalaina Vatosoa, Ben’ny tanànan’Antehiroka omaly ka nambarany nandritra izany fa ny mba hahafahan’ny Ben’ny tanana toa azy manohy ny asa fampandrosoana ao anatin’ny faritra iadidiany no tanjona ao anatin’izany. Betsaka mantsy hoy izy ireo Ben’ny tanana voasaringotra amina raharaham-pitsarana eto amintsika ka migadra. Asam-bahoaka anefa no tanterahin’ny Ben’ny tanàna hoy hatrany Atoa Lalaina Vatosoa noho izany ara-dalàna raha mba arovana sy tohanana izy ireny saingy tsy natao ho an’ireo tsy maty manota kosa. Raha sanatria ka misy Ben’ny tanana iray hoy izy nangalatr’omby na koa tratra nanondrana harem-pirenena an-tsokosoko dia mendrika ny hohenjehina ara-pitsarana izy ireny. Natao hanampiana ireo Ben’ny tanana miasa ny immunite araka izany hoy izy fa tsy sanatria hanosika azy ireny hanao ny tsy mety.
Pati
Legende : Atoa Lalaina Vatosoa, Ben’ny tanànan’ny kaominina Ambohibao Antehiroka
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap