airtel

Politique

02-nov-2021

Politique

Birao vaovaon’ny CENI Ny olona tendren’ny Filoha sy ny fitsarana tampony sisa andrasana

Sample post image

Noraisina ny sabotsy 30 oktobra 2021 teo ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1200 izay nanamarinana ny fahalanian’ireo mpikambana vaovao ao ao amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana na CENI,

02-nov-2021

 hiasa mandritra ny 6 taona tsy azo havaozina. Nohamafisina fa voafidin'ny Antenimierandoholona: Atoa Razafimamonjy Laza Rabary; Atoa Houssene Abdallah avy amin’ny Antenimieram-pirenena; Voafidin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalâm-panorenana: Atoa Fidimiafy Roger Mare; Voafidin'ny holafitry ny Mpisolovava Atoa Jeannot Guy Georges Razafindraibe; Voafidin'ny holafitry ny Mpanao Gazety Atoa Andriamarotafikatohanambahoaka Ralaisoavamanjaka; Voafidin’ireo fiarahamonim-pirenena miorina ara-dalàna ary miantsehatra ao anatin'ny fanaraha-maso ny fifidianana Atoa Ravalitera Jacques Michaël sy Atoa Andriamalazaray Andoniaina. Marihina fa araka ny lalàna dia miisa sivy (9) ny mpikambana ao amin'ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana na CENI, ka ny mpiakambana anankiray izay tendren'ny Filoham-pirenena sy ny anankiray izay fidian'ny Fitsarana Tampony dia ho fantatra afaka andro vitsivitsy, hoy ny fanambarana. Marihina fa misy lonilony ny nahalanian’ny mpikambana sasany. Ny an’ny Firaisamonim-pirenena, dia mbola misy fitoriana any amin’ny Filankevi-panjakana nataon’ireo firaisamonim-pirenena am-polony nilaza fa nahilika. Ny an’ny mpanao gazety olona roa no voafidy satria ny Holafitra teo aloha no nandefasan’ny CENI taratasy hanendry ny anaran’ny solontena ao amin’io rafi-panjakana io. Talohan’ny fifamindram-pahefana ofisialy ny 26 oktobra no nanendry izay ho solontena ny OJM teo aloha, raha toa ka ny 28 oktobra vao nifidy olona hafa indray ny OJM vaovao. Ara-politika, manomboka mandeha ny kiana, toy ny nataon’I Baba Rakotoarisoa Filohan’ny APM (Antoko Politika Madio) fa efa hanjakan’ny loko volomboasary ny CENI, ny fanambaran’I Marc Ravalomanana fa tsy mahaleo tena io fa tokony hisy fikaonan-doha nasionaly,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap