i Tania Avanamiarantsoa sy Ravalison Tsiory Jessica ( Tatie JESS). Kandidan'ny Kolekitifa an'ny Malagasy ao amin'ny boriboritany faha-6. Laharana faha-5 ao amin'ny bileta tokana. Asa no ilaina fa tsy fihetsiketsehana politika na fampisehoana. Kandida mahafantatra tsara ny laharam-pahamehanana ho an'ny vahoaka no natolotry ny antoko Anjomara sy Rivo-Baovao ho an'ny boriboritany fahenina. Kandida matanjaka satria tanora ary ifandrimbonan'ny rehetra mila fanovàna ny fampandaniana azy ankehitriny. Ampy izay ny fahapotehan'ny firenena sy fahantran'ny vahoaka malagasy, hoy i Tania Avanamiarantsoa. Raha nanantena fiovana ny vahoaka tao anatin'ny dimy taona, tsy nisy vokany fa resabe sy lainga no iainana hatramin'izao. Leo ny vahoaka ary mila olom-baovao sy rivo-baovao. Tombony ho an'ity kandidan'ny kolekitifa an'ny malagasy ao amin'ny boriboritany fahenina ity izany. Ny fahazoana ny maro an'isa amin'ny fifidianana solombavambahoaka dia hanova zavatra eto amin'ny firenena . Efa hita ny tsy fahombiazan'ireo ambara fa maro an'isa teny Tsimbazaza teto hatramin'izay, ka mila mijoro manova izany isika hoy i Tania Avanamiarantsoa. Tsapa ho miha maro hatrany ireo mponin'ny boriborintany faha 6 resy lahatra amin'ny lisitry ny Kôlekitifa an'ny Malagasy ARB Tania sy Tatie Jess ary mampitombo ny tanjak'izy ireo handrombaka ny fandresena izany amin'ny 29 mey.
Nangonin'i RTT
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina
Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny
Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika
Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady
Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.