airtel

Politique

15-oct-2021

Politique

Brice Randrianasolo “Efa tanteraka talohan’ny naha minisitra ny 60%n’ny praograma”

Sample post image

Araka ny nahafantatra rehetra ny tantaran’i Brice Randrianasolo, hoy ity minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha ity,

15-oct-2021

 dia hatramin’ny desambra 2015 izay nahatongavako teto Madagasikara aho no nanomboka nisahatra amin’ny hoe fampianarana ny Malagasy ny harena an-kibon’ny tany isam-paritra mba ho tompony tsy hangataka atiny ny Malagasy. Miatomboka amin’ny fahalalana ny zava-drehetra. Rehefa fantatrao ny harena misy eto aminao dia fifohazana lehibe iray izay. Faharoa, avadika ho praograma nasionaly ilay izy matoa nentina teny anivona minisitera. Matoa aho napetraky ny filoham-pirenena ho minisitra dia resy lahatra tamin’ilay praograma ny filoham-pirenena. Noho ny zava-nisy no nahatonga ny tenako tsy maintsy nametra-pialana. Tsy tanjona ny ho minisitra fa fitaovana iray ahafahana manatanteraka ilay praograma nefa rehefa voakorontan’ny olom-bitsy, indrisy, fandoto iray tandroka no maha voakorontana rafitra lehibe eto Madagasikara. Samy resy lahatra daholo avy eo ary mampalahelo rehefa nametra-pialana ny tenako dia nalahelo daholo ny Malagasy rehetra hoe tena tsara ilay praogramanao. Miazakazaka daholo. Samy nangina anefa tamin’ilay fotoana fanasoketana ary mety nandray anjara tamin’izany mihitsy aza. Mitoetra, hoy aho, ny praograman’asa ary na iza liana dia misokatra foana aho amin’ny fanazavana sy fanomezan-tanana. Ohatra iray hitanareo iny ny antoko politika Otrikafo. Efa nanomboka ny desambra 2015 ny fampianarana ny Malagasy, izany hoe 60%n’ny fanatanterahana ilay praograma no efa vita talohan’ny naha minisitra. Mitohy io. Ny fahafahana mampihatra azy amin’ny fomba vetivety na ela, izay 40%n’ny asa sisa ambiny no lasa sarotra, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap