airtel

Politique

17-nov-2021

Politique

CENI Foibe Mitarazoka ny fanendrena ny solontenan’ny Filoham-pirenena

Sample post image

Adihevitra amin’izao fotoana izao ny momba ny firafitry ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI izay ambaran’ireo ankolafy samihafa avy amin’ny mpanohitra,

17-nov-2021

fa tsy azo antoka ary hanao tamberiny amin’ny mpanendry azy. Misy ny milaza fa anjakan’ny loko volomboasary ny CENI. Mandeha ny tsindry sy ny fitakiana fa tokony horavana ny CENI sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC, ary halamina sy harindra tanteraka aloha ny lalàm-pifidianana sy ny fitsipi-dalao. Sesilany ny fanambarana sy fitakiana mitovitovy amin’izany tato ho ato, ary ahiana hiverina ny sarisary politika toy ny tamin’ny 2018 nialohan’ny fifidianana Filoha. Hatreto, solontena iray amin’ny 8 sisa no tsy fantatra dia ny avy amin’ny Filoham-pirenena. Izay olona tendreny eo no heverina ho tsara toerana ho lasa Filohan’ny CENI. Fa inona tokoa moa izany no mampilona io fanendrena ny olona avy amin’ny Filoham-pirenena io? Misy kajikajy politika mbola tsy milamina sa mbola hanaovana antso fanaterana antontan-taratasy toy ny fanendrena ambasadaoro? Ny azy sisa andrasana kanefa mbola hisy didim-panjakana sy fihanianana vao hiasa, mbola hifidy birao. Ny RALE (Révision Anuuelle de la Liste Electorale) na fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana anefa efa hanomboka amin’ny 01 desambra ho avy izao. Asa inona loatra no mampilona sy mampihisatra azy? Tena ho tafapetraka araka ny hiheveran’ny Mpitondra azy ve anefa io CENI io raha tarafina amin’ny maripana politika ankehitriny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap