airtel

Politique

11-janv-2021

Politique

Chrisitine Razanamahasoa Manentana an` ireo depiote haneho hevitra

Sample post image

Nanatanteraka ny fiarahabana ireo mpikambana eo anivon` ny birao maharitra ny

11-janv-2021

 

 

 

 

 

mpiasan'ny Antenimieram-pirenena noho ny fahatrarana ny taona vaovao, ny zoma lasa teo teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza. Nampatsiahy sy nankasitraka ireo asa vita nandritra ny taona lasa na dia teo aza ny valanaretina, ary koa namporisika hiatrika ny fanatanterahana ny vina ho amin'ity taona ity ka tokony hanajan'ny tsirairay ny anjara asany avy ny ny filohan` ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine. Ny sabotsy lasa teo kosa dia tonga niarahaba ity filohan ` ity andrimpanjakana ity sy ny ankohonany ireo solombavambahoaka noho ny tonon-taona vaovao, teny amin'ny tokantranon'ny Filoha teny Andohan'i Mandroseza. Tonga maro ireo Solombavambahoaka avy amin'ny lafin-kery rehetra. Nandritra ireo fandraisam-pitenena dia samy nankasitraka ny maha-Raiamandreny mendrika ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny nahaizany nampivondrona ireo solombavambahoaka na dia teo aza ny tsy fitovian-kevitra. Etsy ankilany kosa dia nanentana hatrany ireo Solombavambahoaka handray anjara mavitrika amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra i Christine Razanamahasoa entina hampandrosoana miaraka ny firenena satria izay no tanjona iraisan'ny rehetra.

 Marigny A.

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap