airtel

Politique

09-déc-2022

Politique

Christine Razanamahasoa Mety hametra-pialana tsy ho ela

Sample post image

Mbola hafahafa ny tsio-drivotra politika, na nitsefotra aza ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Voalaza fa mety hametra-pialana ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa, na nangatahan’ny Filoha aza ny tsy hialany.

09-déc-2022

Tsy mahafaly ny ankamaroan’ireo depiote na mpomba na mpanohitra fitondrana kosa ny voalaza fa nanaovana teny mahery sy tsinontsinona teo anatrehan’ireo mpikamban’ny governemanta ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Rtoa Christine Razanamahasoa tetsy amin’ny Arena Ivandry ny trakarivan’ny alarobia teo. Tsy nahafaly ny filoha ny raharaha niseho teny amin’ny Antenimieram-pirenena, raha ny akon’ny raharaha fitsipaham-pitokisana izay natsefotra antenantenany. Nanaitra ny fanehoan-kevitry ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy izay naneho miantefa amin’ny vahoaka hoe: nampitaiko ny alahelonareo, ny tebitebinareo koa satria demokrasia dia ny tenin’ny besinimaro ampitondrainy ny olom-boafidiny izany hoe ny depiore no vahoaka, dia vitako ny adidiko, ny tohiny tsy ahy fa an’ny mpanatanteraka. Ny PAN Christine Razanamahasoa dia filohan’ny Antenimieram-pirenena voafidy 147 tamin’ny 147, ary tsy afaka handaha izay tsanga-tanana ataon’ny depiote efa ho 100 na inona na inona firehany. Koa ny “attaques” atao azy, dia raisinay ho atao amin’ny andrim-panjakana iray manontolo, ary miangavy azy an-tanan-droa aho tsy hiala izany na inona na inona antony. Mitsodrano azy Aho handray izay fanapahan-kevitra handamina sy tsy hampikatso ny firenena. Na inona na inona hitranga mantsy dia efa tafita ny hafatra fa tsy “assemblée croupion” ny ato fa manao sy manaja ny asany, manara-maso ny mpanatanteraka". Naneho kosa ny depiote Hanitra Razafimanantsoa tao amin’ny Miara-manonja hoe:“Ny mampalahelo sy mahatezitra dia ny fanaovana tsinontsinona sy tahaka ny volomborona ilay Filohana andrim-panjakana. Tahaka ny reniny, Raiamandreniny raha ny taonany. Nanao fanompoana sy famonoan-tena niainga tany amin’ny 2009 kanefa dia natao tsinontsinona, vitany ny nampitomany azy teo imason’ireo mpanao politika miara-dia amin’ny fitondrana”. Nilaza ity depiote ity, fa ny andininy 201 sy 202 amin’ny fitsipika anatin’ny Antenimieram-pirenena no maneho fa tsy misy sonia azo ampiana na hesorina intsony. “Ho anareo rehetra izay nivory tany amin’ny Arena, dia tsy azo atao ny manala ny sonia vao tafapetraka ny fangatahana. Eo anatrehan’ny Antenimieram-pirenena no hiadian-kevitra amin’izany, ary tsy manan-jo hanatsoaka an’io ny Filohan’ny Antenimiera, tsy misy manala an’io intsony eo, mitohy ny anaran’io”, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. “100% no nandany azy, izaho tsy IRD, ny depiote TIM rehetra tsy IRD fa nekenay ho filohan’ny Antenimiera izy, ary hamafisinay ny fanohanana azy, na inona na inona fanapahan-kevitra raisina, hosihosena sy terena hanaonao foana. Na inona na inona fanapahan-kevitry ny PAN dia aorianao aho”, hoy kosa ny depiote Fidèle Razarapiera. Naneho ny Depioten’I Morafenobe, fa fandikana lalàna ny nanapahana antenantenany ilay “motion de censure” ary tsy tokony niditra tamin’izany ny filoha fa nitady lalan-kafa,... Mandeha ny resaka fa mety hametra-pialana ao anatin’izao fivoriana ara-potoanan’ny Antenimiera izao Rtoa Christine Razanamahasoa. Ny anaran’ny Kestora Henri Jean Michel sy ny depiotan’I Toamasina Naharimamy Irmah no anarana mandehandeha mety hisolo azy. Ho tonga amin’izany ve ny raharaha sa inona indray no hiseho fa ny tsy azo lavina dia anaty krizy ny andrim-panjakana sy ny fitondrana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap