airtel

Politique

28-juin-2022

Politique

Clémence Raharinirina “ Tsy hampihemotra anay ny resaka fitsarana”

Sample post image

Hotsaraina anio talata 28 jona 2022 avokoa ireo raharaham-pitsarana roa samihafa izay mahakasika mpanolontsain'ny tanànan'Antananarivo.

28-juin-2022

Voalohany ny Clémence Raharinirina, izay notorian'ny Fanjakana ho namory olona tsy nahazoana alalana sy nanohintohina ny filaminana anatin'ny firenena (Atteinte à la sûreté intérieure de l'Etat) nisamborina azy teny Ankorondrano ny 09 aprily lasa teo. Efa nihemotra in-droa io raharaha io ka asa hoe: hanao ahoana ny anio? Ny raharaham-pitsarana faharoa kosa dia ny fitoriana mpanolotsaina 07 mianadahy ka lohalisitra amin'izany i Lily Rafaralahy miampy mpanolotsaina 6 hafa lazaina ho nanala baraka tamin'ny tambazotra Facebook sy fahitalavitra. Mbola tafiditra amin'io ihany koa i Clémence Raharinirina ka ny mpanolontsain'ny tanàna Rtoa Lalatiana Ravololomanana sy Atoa Balita avy amin’ny Komba no mpitory, mifandraika amin’ny raharaha SMA (Société Municipale d’Hygiène) sy SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) ny fitoriana. « Izahay raha notoriana ary efa in-tsivy dia vonona foana raha izay no fantatry ny sasany fa mety kanefa kosa fanontaniana no apetraka hoe: ny fitsarana ve izany dia natao hanenjehana mpanolontsain'ny tanàna satria izay no sary hita, izahay mba nametraka fitoriana ihany koa teny anivon'ny Fitsarana 20 andro lasa izay fa mbola dia mbola miandry hoe: inona no tohin'ny fitoriana ny ben'ny tanàna Naina Andriantsitohaina? hoy Rtoa Clémence Raharinirina. Tetsy ankilany, vao nipetraka iny fitoriana iny dia nivoaka ny karazana lalàna toa manome zo ny ben'ny tanàna tsy ho azo henjehina na "impunité" izay nolanian'ny depiote satria maro an'isa ny volomboasary ka lojika hoe: izay alefa ao lany. Notsiahivin'i Clémence Raharinirina kosa fa tsy mihatra amin'ny raharaha talohan'ny nivoahany ny lalàna (non rétroactif) sao hisy ny fialokalofana amin'io, ka mino izahay fa tsy hanaiky izany rahateo ny fitsarana, hoy i Clémence Raharinirina. "Mba miandry ihany koa izahay hoe: mba asehoy ho hitan'ny olona ireo olona ny fitsarana ireo rehetra mahita fa misy fandikan-dalàna be dia be fa tsy ny mpanolontsaina foana taritaritina eny amin'ny Fitsarana satria ny lalàna natao ho an'ny olon-drehetra, ary rehefa tsaraina tsy voatery hoe meloka", hoy hatrany izy eo anatrehan’ny fahatsapana mizana tsindrian’ila. Isan’ireny ny mbola tsy nanitsahan’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina ny fitsarana na misy aza ny fitoriana azy, ary maro ihany koa ny raharaha maloto mahasaringotra mpitondra.
“TSY HIHEMOTRA IZAHAY”
Naneho kosa Rtoa Lilie Rafaralahy fa na taritarihina eny amin'ny Fitsarana aza dia mahasahy mijoro sy miteny. Nohitrikitrihiny fa heloka tsy nataon'izy ireo no hitoriana azy 7, ka tsy izany no hanakana azy ireo tsy hijoro. Ny miseho aminay izao no antsoina hoe: "représailles" saingy tsy mihemotra izahay, ary mino fa ao an-damosinay ny vahoaka d'Antananarivo, hoy i Lilie Rafaralahy, izay nanentana ny olona ho avy hanotrona azy ireo anio.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Hanao rodorodo any Toamasina hiatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra anio

Card image cap
17-avril-2024

Efa niteny ny antoko politika Teza fa tsy handray anjara amin’io fifidianana io satria ho haingon-tsehatra

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny fanapahan-kevitra hafahafa ao amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza taorian'ny nanonganan'ny IRD

Card image cap
16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap