airtel

Politique

17-mai-2022

Politique

Constant Raveloson « Fehezo ny harena be eto raha te ho tafavoaka isika »

Sample post image

Tena mbola mila mitolona isika, hoy i Constant Raveloson anisan’ireo vavolombelon’ny tantaram-pirenena sy tantara politika teto ary nandray anjara mavitrika tamin’ny tolon’ny 1972.

17-mai-2022

Aoka tsy ho variana amin’ny adin’akoholahy isika na hifantoka fotsiny amina olombelona 2 ka adino ilay fahavalo lehibe, hoy izy.Manaraka ny lojikam-panjanahana ny zavatra natao teto hatramin’izay na dia nisy ihany aza ny ezaka natao hahazoana ny tena fahafahana, rah any fahitany azy hany ka miha sarotra hatrany ny toe-draharaha.Manankarena i Madagasikara, efa fantatra izany kanefa dia tafiditra ao anatin’ireo firenena 5 mahantra fadiranovana manerantany.Mila haintsika ny mitrandraka ny otrikarena misy eto , mampipoitra izany ary atao mandeha amin’ny mangaraharaha sy ny ara-drariny ny fitantanana azy, raha ny heviny.Ny volamena fotsiny dia efa harena be ahafahantsika manangan-javatra, hoy i Constant Raveloson ary mbola misy vato sarobidy hafa izay tena lafo vidy tokoa toa ny émeraude sy ny safira ohatra. Tsy mbola resahana eto ny hoe solika, entona fandrehitra, vy…Mila fehezina ny harena be misy eto mba ahafahantsika mihoatra sy mivoatra ary mandroso, hoy izy. Ireo manampahaizana tokony mandinika sy mikaroka ary mametraka paikady mahomby fa tsy manao lohana mpangataka fotsiny, ka vao mandre fampanantenana dia efa : tehaka leretsy aaa…, hoy i Constant Raveloson. Rehefa manana ny ampy sy mahavoky tena ihany isika vao afaka mametraka tsara ny maha izy antsika fa tsy baikobaikon’ny hafa foana raha ny hevitr’ity mpanao politika ity.
TAFIKA, FIFIDIANANA
Ankoatr’izay dia mila tonga saina isika ny amin’ny zava-misy amina sehatra vitsivitsy eto, hoy i Constant Raveloson , tahaka ny hoe : nahoana moa no manamboninahitra Frantsay no misisika manolotsaina antsika amin’ny resaka fiarovam-pirenena, Frantsa anefa no nanani-bohitra teto sy nanjanaka antsika.Madagasikara anefa dia manana anjara toerana saropady sy goavana aty amin’ny ranomasimbe Indianina.Dia mba firy moa izao ny sambo sy ny fiaramanidina am-pelatanan’nny tafika an-dranomasina sy anabakabaka, hoy izy nanohy.Any amin’ny resaka maha olom-pirenena , mifandray amin’ny fifidianana, ataovy manomboka a ny amin’ny fanoratana ny kopia nahaterahana mihitsy ilay « digitalisation » raha tena hanao dia tohizana any amin’ny karapanondrom-pirenena, fa mbola misy Malagasy manodidina ny 3 tapitrisa tokony hifidy kanefa tsy tafiditra anaty lisitra, hoy hatrany izy.Aorian’izay vao miresaka ny hoe fifidianana madio sy mangaraharaha ary tsy mitanila.
MIHAVANA
Mila miombona sy mihavana aloha ny Malagasy hoy i Constant Raveloson, mila manaiky fa ny teny Malagasy no ampiasaina amin’ny fampianarana, sy amin’ny fomba fisainana ary apetraka mazava ny fahefam-paritra tena miainga eny ifotony fa tsy fitsinjaram-pahefana hafahafa io no andanian’andro sy vola eto.Fakafakaina isan-tsehatra ireo olana miantraika amin’ny fiainam-bahoaka ka avoitra izay vahaolana ; ny otrikarena misy eto afaka ampiasain’ny Malagasy hivoarany sy hanatsarany ny fiainany ary handrosoany.Tontosa ireo vao tena hoe avotra ny firenena, fa ny ankoatran’izay nofinofy, hoy i Constant Raveloson.
RTT

 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap