airtel

Politique

28-janv-2021

Politique

Constant Raveloson “Heverin’ireo loholona fa an’ny Ray aman-dReniny angaha io ?”

Sample post image

Heverin’ireo ao amin’ny antenimierandoholona ireo ve fa an’ny Ray aman-dReniny io,

28-janv-2021

 

 

 ka izy no mifandamindamina ao, hoy Atoa Constant Raveloson omaly tamina onjam-peo iray. Voalazan’ny eo amin’io andrim-panjakana io, fa mbola hifandaminana ny fakana ny toeran’izay ho filoha lefitra avy amin’ny mpanohitra. Ny lalàna misy, dia ny lalàna no ampiharo, hoy kosa ity mpanao politika ity. Bikabikan’ny olona notendrena ireo, ary ny mpanohitra tonga dia avy dia nanipy “gants”, kanefa tokony afaka niadian-kevitra hoe ahoana marina ny lalàna momba ity antenimerandoholona ity, hoy Atoa Constant Raveloson. Tsy fahefana ifandovana izy io, ka hoe hifampiresaka. Nametra-panontaniana izy hoe: efa notsofin’ny HCC rano ve fa tsy hatao mihitsy ny fifidianana Mpitondra ny faritra? Zavatra manokana (cas exceptionnel) anefa ny hoe natao ny fifidianana loholona talohan’iny na mbola tsy misy mpitondra ny faritra aza. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny andininy faha-154 amin’ny lalàmpanorenana nolaniana tamin’ny 2010 fotoanan’ny tetezamita, izay mbola tsy niova mandrak’ankehitriny no maneho fa : “ny asan’ny mpanatanteraka dia sahanin’ny rantsa-mangaika tarihin’ny Lehiben’ny Faritra izay olom-boafidy tamin’ny alalan’ny latsa-bato andraisan’ny rehetra anjara”. Hatreto, tsy izay no miseho fa mbola olom-boatendry, novaina fahatany ho governora ny fiantso ny Lehiben’ny faritra.

 Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap