airtel

Politique

19-août-2021

Politique

Constant Raveloson “Ny fitondrana azony, fa ny tena aim-bahoaka tsy vitany”

Sample post image

Naneho ny heviny sy nitondra soso-kevitra mikasika ny raharaham-pirenena Atoa Constant Raveloson omaly, raha nivahiny tao amin’ny Fahitalavitra Real TV Madagascar.

19-août-2021

 Tsy afaka hiteny ny maha mety na tsy maha mety ny governemanta, ho izy, saingy mahahagaga kely ihany hoe ny minisitra rehetra nahato, ny Praiminisitra tsy voakitika. Tsy kisendrasendra fa misy ifandraisany tamin’ilay hoe nisy niketrika hamono ny Filoha ny fanovana. Nahitana taratra izany ilay minisitera izay voakasika, nisy taratasy izay nivoaka mikasika an’I Paul Maillot, nisy ilay horonam-peo nataon’I Sareraka, dia toa io minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany io mihitsy no nisy zavatra kisampontsampona. Tsy maintsy nanamboatra governemanta anefa na tsy nisy aza iny resaka fikasana hamono iny. Ny Praiminisitra dia fifidianana no nametrahana azy teo, vita iny dia notazonin’ny filoha izy. Nanao izay natao, vita ny fananganana ny andrim-pitondrana, voapetrapetraka,… Raha atao hoe nisy iraka manokana nifankahazoany tamin’ny filoha hoe alaintsika ny andrim-pitondrana rehetra, dia vitany izay. Any amin’ny tena lafiny fampandehanana ny ain-dehiben’ny vahoaka mivantana kosa dia nahitsy Atoa Constant Raveloson nilaza fa tsy vitany. Tsy vitany mihitsy ny mampandeha ilay fiainan’ilay firenena. Na ilay manendry ny minisitra aza tsy tonga tany amin’ilay hainy sy mahavantana azy indrindra. Manana andraikitra goavana be amin’ny fifantenana sy fanolorana azy amin’ny Filoha. Misy mamandrika sy manolo-bato mafana ao. Ny nanao ny fifidianana vitany iny aloha. Ny fampandehanana ny ain-dehiben’ny vahoaka, ny ain’ny firenena, fa indrindra ny fanolorana amin’ny Filoha an’ireo mpanatanteraka izay hanao ny asa dia io izy io, hoy Atoa Constant Raveloson.
“MILONA LOATRA AMINA ADINA ANKOLAFY ISIKA”
Milona loatra amin’ilay adin’akolafy isika, ka lasa mirefarefa ny adihevitra, hoy Atoa Constan Raveloson. Tsy tokony hiditra amina lalan-tery intsony, fa izay làlana malalaka hivoahana. Mitarazoka loatra ny fotoana hitsipahan’ny vahoaka ilay adina ankolafy, mba tokony hatsahatra ilay lasitra tery hoe: mpanohana sy mpanohitra,… Eo no mila manatsidika sy mampiditra làlan-kivoahana, tokony ho teny ierana mipaka hatrany amin’ny faritra fa tsy tompomenakely tendrena ohatran’ny governora. Ilaina ny fampiombonana ny firenena mba ho vongany iray. Tsy voatery manao letrezana sy mifandona amin’ny hoe: “demokrasia”, fa misy làlana azo hitondrana azy. Ny Madagascar Oil mety tsy niditra tamin’ilay raharaha avo lenta, fa hisy orinasa goavana noho io, na ampiana firenena aza, ka raha izao no milalao ratsy hoe lalan-tsaina mampisara-bazana dia ho zava-doza eto. Mbola mandova ny fitondrana andriamanjaka isika amin’ny fifandovana fahefana, hoy ity mpanao politika ity. Mikasika ny fanenjehana mpitondra fivavahana sy fiangonana kosa, dia nambarany, fa simenitra hampitambatra ny olona ho marina ny fiangonana. Hafahafaha ihany ny fanitrikitrahana mafy dia mafy olona iray ho meloka ataon’ilay fampahalalam-baovao anton’asa mihitsy, ary diso ny fandrarana ny fiangonana na ny moske tsy hiresaka fiainam-pirenena, hoy Atoa Constant Raveloson.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap