airtel

Politique

15-avril-2022

Politique

Dany Rakotoson “Alamino aloha ny antokonao”

Sample post image

Rehefa te hanova zavatra hoy i Karl Marx dia alaivo aloha ny fitondrana, hoy ny fanazavan’ny mpandinika raharaham-pirenena,

15-avril-2022

Dany Rakotoson, mikasika ny fifanasana politika hiatrika fikaonan-doham-pirenena nanaovan’ireo herivelona politika maro antso avo farany teo. Izay foana, hoy izy, amin’izao fotoana izao no ataon’ny mpanohitra sy fitondram-panjakana. Vokany dia firenena farany mahantra hatrany hatreto i Madagasikara ary ny vahoaka no mizioga izany. Fahoriana, tsy fandriampahalemana, tebiteby lalandava, fahatapahana lalan-dra no iainan’ny vahoaka. Ny fitondram-panjakana no tompon’andraikitra voalohany amin’izany tsy fihetezana izany. Ny mpanohitra sy ny rehetra dia manana tanjona haka fitondrana foana. Stratejia daholo na fikaonan-doha na fidinana an-dalambe na fifanaratsiana isan-karazany. Hatreto voambolana fotsiny ny hoe fanovana ifotony fa ny fomba ahatongavana amin’izany mbola tsy taratra mihitsy na anaty fotokevitrana antoko io na ideolojia politika iray misy eto amin’ity Madagasikara ity. Raha mbola tsy misy olona anaty antoko manana izay ideolojia mari-pototra izay fa tsy mivadika palitao isaky ny mihetsika mitarika an’io dia ho eto foana isika. Averiko ihany fa andraikitry ny fitondram-panjakana ny fikaonan-doham-pirenena fa tsy hoe izy indray no natao hamaly izany. Izy no tokony hiantso ny herivelona rehetra fa tsy politika fotsiny hanao izany. Lasa fikaonan-dohan’ny mpanohitra ilay izy rehefa tsy izay. Raha te hanova zavatra eto amin’ny firenena ny antoko politika dia alamino aloha ny antokonao, hoy hatrany ity mpandinika ity.
J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap