airtel

Politique

29-nov-2022

Politique

Dany Rakotoson “Ny tena olana dia tsy fantantsika hoe ho aiza isika ?”

Sample post image

Olan’ny firenena malagasy dia tena mbola tsy fantantsika tsara mihitsy hoe ho aiza marina moa isika ity, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.

29-nov-2022

Rehefa mijery ny fanatontoloana isika, hoy izy, dia mieritreritra foana hoe mandeha any amin’ny demokrasia, ny harinkarena iombonana miaka-midina. Samy mbola sadasada daholo na ny mpitondra fanjakana na ny vahoaka entina. Miverimberina ny krizy politika, ny firenena farany mahantra. Izany rehetra izany no tokony mbola hifandinihana mihitsy eo amintsika samy malagasy aloha. Tsy misy azontsika omena tsiny hoe ny mpanjana-tany na ireo vahiny avy any ivelany mitrandraka ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika. Tsy misy tomponandraikitra mivantana ireny fa isika tompon-tany no tokony mandinika ny lalana tokony hizorantsika satria izay moa ny atao siansa momba ny politika dia ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny firenena iray eo amin’ny resaka politika. Isika anefa hatramin’izao mbola tsy nametraka izay fanontaniana izay fa dia hoe andao hono hanao demokrasia, hanao lalam-panorenana dia napetraka izany rehetra izany. Eo no miditra ny hoe “management politique”, izay hametrahana fanontaniana hoe firenena toy ny ahoana no tiantsika hatsangana? Tsy mbola mipetraka izany hatramin’izao. miantso foana hoe andao hanao fikaonandoham-pirenena! Mila atao izany ahitana hoe malagasy toy ny ahoana no tokony ho hita afaka 5 taona sy 10 taona? Matoa misy ny firenena matanjaka toa an’io Qatar izay mandray tompondaka eran-tany ankehitriny io dia satria nametraka fanamby ny mpanjaka tao dia tao anaty 5 sy 10 taona izy tonga dia niroborobo be. Tsy nanary ny hasin’ny kolontsainy izy ary tsy nanaraka bontolo ny fanatontoloana. Nanana harena an-kibon’ny tany. Isika manana harena an-kibon’ny tany tsy hita pesipesenina izay mbola tsy lany na efa noraofin’ny vahiny aza. Isika mihitsy no tsy mahay mandamina sy mametraka tsara hoe Madagasikara toy ny ahoana ary malagasy toa an’iza no tiantsika hahatongavana? Mila apetraka aingana ny fikaonandoham-pirenena hijerena an’izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap