airtel

Politique

20-juil-2022

Politique

Dany Rakotoson “Tsy maintsy hipoaka io fanerena lava io”

Sample post image

Tsy maintsy hipoaka io fanerena lava io, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Izay ilay hoe rehefa tsy hay ilay zavatra, hoy izy, dia hitan’ny havany eny ihany.

20-juil-2022

Tadidio tsara fa ny naka fahefana no naha maika ny fitondram-panjakana misy antsika ankehitriny. Tsy nanana mihitsy izany atao hoe politikam-pampandrosoana izany. Ny politika tsy maintsy miainga foana amin’ny vina sy ny soatoavina iainan’ilay antoko na olona politika iray. Mety miteny hoe mitsinjo ny vahoaka izy fa ny zavatra ataony amin’izao fotoana izao dia famonoana afo na “interventionnisme de grande envergure” satria rehefa diso ela loatra no terena ilay vidin-javatra na nasian’ny famatsiana na “subvention” io na notereny fotsiny ireo mpandraharaha hoe aza mampiaka-bidy ianareo dia mipoaka foana io na tiana na tsy tiana. Terena fotsiny ilay kaoperativa hanao saran-dalana heritreretina hampilamina ny vahoaka nefa tsy mandamina an’ilay kaoperativa satria tadidio tsara fa raha 600 Ariary dia ny fiakatry ny lasantsy fotsiny anie no niakatra araka ny noteneniny e! Tsy ny lasantsy fotsiny anefa no niakatra. Niakatra koa ny vidin’ny piesy ilaina amin’ny fiara sy ny zavatra rehetra. Hifototra any amin’ny mpandeha no hiafaran’io satria ho tapaka isatra ilay fiara, ho tapaka ny “transmission”, ho tapaka daholo ity rehetra ity dia iza no ho faty ao anatiny? Tsy ho ny mpitondra fanjakana anaty limozinina mihitsy fa ilay vahoaka anaty taksibe. Fantatrao tamin’ny ianao vao nandray fahefana fa vahoaka farany mahantra no ho sahaninao. Tokony ho politika mampanankarena an’ireo izany no napetrakao. Rehefa tonga amin’izay ny krizy iraisampirenena toy izao dia mba lefilefy kokoa ny fiakaran’ilay vidin-javatra tsy hisian’ilay “intervention” na “subvention” be loatra. Tsy haiko hoe mba tonga saina ve ny olona ao amin’ny prezidansa ao mamoaka sary hoe fanaovana tsinontsinona ny vahoaka anie ireny fampilaharana azy ireny satria ohatrany hoe tsy misy hasiny. Mihevitra izy fa fampisehoana fa miasa ny filoham-pirenena amin’ireny nefa ny fotoana tokony hiasana sy hamokaran’ilay vahoaka lany eo. Ny ain’olombelona dia ny famoronana asa izao no tokony ho laharam-pahamehana kokoa. Maninona no tsy raisin’ny fanjakana an-tanana haingana ny resaka mandeha be dia be toy ny ireny Tsimiroro sy volamena na famokarana menaka ireny, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap